Auteur/autrice : Adnews

Mozika mifangaro: hanome voninahitra ireo efa lasa ry Sivy Mahasaky

Miavaka raha samy tarika! Mpanakanto samy manana ny karazana mozika iangaliany, ary samy kalaza amin’izany, no mandrafitra ny Sivy Ma­hasaky. Hevitra nipoitra avy tamin’i Tsilavina Ralaindimby io tany am-piandohana. He­vitra hafahafa, kanefa nanokatra ny fijerin’ny maro ny mozika malagasy: mpanakanto mpivoy ny hira vokatry ny tany, miaraka amin’ny mpiangaly rock, […]

Fampirantiana “Lamba forever” : tanjona ny hampahafantatra ny lamba sy ny tontolony

Mahatalanjona ny mahita ireo haikanto miranty eny amin’ny Hakanto Contemporary, ao anatin’ny fampirantiana “Lamba forever”. Betsaka ihany koa ireo tsy nanampo ny haikanto vita amin’ny lamba sy ny mety hampiasana azy ireny. Mitohy hatrany ny fampirantiana « Lamba forever », atao eny amin’ny Hakanto Contemporary Anka­dimbahoaka. Fam­pi­ran­tiana izay efa nisokatra tamin’ny 8 […]

Fifidianana filoham-pirenena : roa ny vehivavy kandidà… Mbola misy hafa koa andrasana

Manomboka raha­mpitso ny fametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho an’ireo kandidà ho filohan’ny Repob­lika. Miisa roa alo­ha hatramin’izao ny vehivavy nanao fanambarana firotsahana amin’izany. Anisany Ratsi­raka Annick Zoary sy i Masy Goula­maly… Vehivavy kandidà na­nambara voalohany ny firotsahan-kofidina ho filoham-pirenena, i Masy Goulamaly. Nianatra momba ny fitantanana “Master en Gestion” sy […]

FANTINA sy FINTINA

Vahaolan’ny Hafari ny Repoblika fahadimy, araka ny nambaran’ny filoha Rafanomezantsoa Jean Nirina, omaly. “Tsy olana na ahemotra aza aloha ny fifidianana ary atsangana ny fitondrana Tetezamita. Tena efa tsy mifanome hasina sy mifanaja ary mifandrahona isika izao”, hoy izy. Manahy korontana sy krizy ny Hafari. Mankasitraka ny dingana ataon’ny FFKM […]

Fanatsarana ny fanaovana politika : hanamafy fototra aloha ny antoko Marina

Natao tetsy Antanimena, ny sabotsy teo, ny kongresin’ ny antoko Marina. Tapaka tamin’izany ary araka ny fotokevitra fa hohamafisina aloha ny eny ifotony. “Hofanina sy homena traikefa ireo hitantana sy mihevitra ny hitondra ny eny anivon’ny kaominina ato anatin’ny 5 taona ho avy. Hametraka ny fototra tsikeli­kely izahay ho fanatsarana […]