Auteur/autrice : Adnews

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : mandady ny trambo ho an’ny Malagasy

J-15 amin’ny fanombohan’ ny lalaon’ny Nosy aty amin’ny ranomasimbe In­diani­na anio. Fihaonana hotanterahina eto Madagasikara. Efa ao anatin’ny fanomanana fa­rany avokoa ireo firenena re­hetra handray anjara amin’izany. Mila mailo ny Malagasy, satria ho mafy ny hiady ny medaly volamena sy ny filaharana voalohany amin’ity. Mila miezaka mafy ireo federasiona isanisany […]

Badminton : tsy manara-penitra ny «tapis» hikotranana

Manana olana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja badminton, amin’izao fotoana, hanomanan-tena amin’ny lalaon’ny Nosy. Tsy manara-penitra mantsy ny “tapis”, ha­naovana fanazarantena eny Vontovorona, ka misy ireo maratra. Nambaran’ny Sinoa manam-pahaizana, mitarika azy ireo, fa manify loatra ilay “tapis” ka izany no mitarika ny fahavoazan’ny atleta. Mangataka amin’ny tomponandraikitra ny tenany mba […]

Handball – IHF Trophy Continental : Ratsy fanombohana ny Akio, vehivavy

Lavo teo am-panombohana ny Akio, vehivavy, nandritra ny fifaninanana afrikanina “IHF Trophy Continental”, izay atao any Côte d’Ivoire, ny 8 – 12 aogositra ho avy izao. Notanterahina omaly ta­ny Abidjan Côte d’Ivoi­re ny andro voalohan’ny fifaninanana “IHF Trophy Continental”, taranja handball, sokajy vehivavy “cadette” sy “junior”. Resy avokoa ny Akio […]

INDRAY MIJERY

Nafindra toerana any Séoul ireo mpilasy ana­tin’ny “Jamboree skoto” maneran-tany, andiany faha-25, tanterahina any Saemangeum noho ny ahiahy fa handalo ao ilay rivodoza afaka andro vitsy. Ny fikambanana skoto koreanina no mikarakara ny hetsika. Manana tanora solontena i Madagasikara. Tonga ao amin’ny fari-piadiadiam-pampianarana Amboasary Atsimo ny fiara lehibe mitondra ny […]

Kaominina Tsifota : nampiakatra ny vidin’ny trondro ny fisian’ny toeram-pitahirizana

Nanampy ny mpanjono ao amin’ny kaominina Tsifota, distrikan’i Toliara II, amin’ny fitahirizana ny vokatry ny ranomasina azon’izy ireo ny fanavaozana ny toeram-pitahirizana ao an-toerana, vita ny taona 2022. Mivondrona ao amin’ny fikambanana Firai­santsoa ireo mpanjono ary manefa hetra any amin’ny kaominina. «Nitondra fivoarana ny fahaveloman’ny toeram-pitahirizana satria niakatra ny vidin’ny […]