Auteur/autrice : Adnews

Efatra andro nifampitadiavana : Ramatoa hita faty nananton-tena

Hita faty nananton-tena tao an-tranony Ambohijana­hary, kaominina ambanivohitra Didy, distrikan’Ambaton­dazaka, ny sabotsy 22 jolay teo, ny vehivavy iray. Nifam­pitadiavana nandritra ny efatra andro izy. Lany haika ny fianakaviany. Noho ny faharenesana fofona hafahafa manodidina ny trano fonenany, taitra ireo havany. Tapaka ny hevitra fa hosokafana ny trano. Voamarina fa nihidy […]

TSELATRA

Raikitra indray ny fitokonan’ireo mpino sasany tetsy amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano, omaly. Nilanja sora-baventy, tsy niombon-kevitra, mahakasika ny fisian’ireo mpikambana anatin’ny birao mitantana ny foibe ireo mpino avy amin’ny solontenan’ny faritra sy avy ao 67 Ha. Niatrana nifehy ny toe-draharaha teny an-toerana avy hatrany ny polisy. Trano lehibe nisy […]

Hetsika “Tselatra” : mpaka an-keriny telo lahy lavon’ny bala

Nifanehatra tamin’ny miaramila nanao fisafoana, voatifitra ny jiolahy telo lahy, mpaka takalonaina nikoizana. Maty tao Morarano, kaominina ambanivohitra Ambohibary, anatin’ny fari-piarovana Ikopa, izy ireo, omaly. Mpiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy hafa. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny tao amin’io kaominina io izy telo, ny 26 jona lasa teo. Nitsoaka nandositra avokoa […]