Anisan’ny miaro ny tontolo iainana sy ahazoana tombontsoa ara-toekarena sy eo amin’ny fahasalamana ny fampiasana ny saribao maitso. Manome vahana ny fampiasana ireo akora tsy ilaina intsony ny fanamboarana izany. “Efa simba ny tontolo iainana ary mitarika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro maneran-tany noho ny fandripahana ala be loatra eto Madagasikara”, hoy Ramamonjisoa Tahinjanahary Sedera, mpitarika mpanampy […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Nitondra fanazavana, manoloana ny resabe amin’ny mety ho fihaonan’i Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery ary koa ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny ny HVM. “Eto an-toerana ny mpanorina ny antoko fa tsy any Frantsa”, hoy Rakotovao Rivo. Matotra ny fiaraha-miasan’ny vondrom-pifankatiavan’ny parlemanta sinoa sy malagasy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, tamin’ny fitsidihan’ny […]
Loholona Ramanambitana Richard : « Leo fanapotehana sy fanakorontanana ny vahoaka »
“Efa ankatoky ny fifidianana isika izao, tsy te hahita krizy intsony isika eto Madagasikara. Leo korontana sy fanapotehana ny vahoaka. Mankany amin’izany fanapotehana izany ny teti-dratsin’ny mpanohitra”. Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Ramanambitana Richard, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Efa nohazavain’ny filohan’ny Repoblika ny momba ny fizakany […]
Tsy vola fa hevitra
Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Ny vahoaka no antom-pisian’ny mpitondra. Ho an’ny vahoaka izay rehetra ataony. Ny vahoaka izany no lehibe, mpampiasa… Hatraiza? Izay ilay hoe natao hanompo vahoaka, fa tsy hotompoina ny mpitondra. Fifanarahana sosialy na fifanarahana amin’ny asa no ifanaovan’ny roa tonta amin’izany. Amin’ny alalan’ny […]
Andriantsizehena Benja Urbain : « Mikorontana ny ao amin’ny Antenimierampirenena »
Misy tsy milamina. Naneho ny heviny momba ny fomba fiasa sy ny tranga miseho eo anivon’ny Antenimierampirenena ny depiote teo aloha, Andriantsizehena Benja Urbain na i Bebain. “Maro anisa ny antokon’ny fitondram-panjakana, nefa mikorontana ambony ambany… Tsy mbola nisy toy izao hatramin’izay”. Io ny nambaran’ny solombavambahoaka teo aloha ary mpiasa […]




