Auteur/autrice : Adnews

Kitra – Fifidianana federaly : miantso ny klioba tsy handatsa-bato i Faneva Ima

Hiditra amin’ny dingana voalohany amin’ny fifidianana ny tontolon’ny kitra eto Madagasikara. Hisantatra iza­ny ny seksiona miisa 101 manerana ny Nosy. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 1 sy 2 jolay ho avy izao izany. Manoloana io, nanao antso avo amin’ireo klioba rehetra tao amin’ny tambajotran-tseraserany, efa ho roa herinandro […]

Lalaon’ny Francophonie : haterina anio ny lisitry ny Barea U20

Tapitra anio ny fetr’andro nomen’ny komity misahana ny lalaon’ny “Franco­pho­nie”, hatao any RD Congo, ny 28 jolay -6 aogositra ho avy izao. Araka izany, voatery aterina anio ny lisitr’ireo mpilalao 20 mirahalahy mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar U20, hifaninana amin’ny taranja baolina kitra. Miisa 16 ireo zandrikely avy eto […]

Basikety : hilalao ao amin’ny ALM Evreux i Sitraka

Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety mala­gasy mila ravinahitra any ivelany. Araka ny vaovao, hanohy ny filalaovana basikety ao amin’ny klioba ALM Evreux Basket-ball, Rahari­ma­nantoanina Sitraka. Ho an’ny taom-pilalaovana 2023-2024 ny fifanarahana hilalaovany ao amin’ity klioba azo lazaina ho manana ny maha izy azy ity. Klioba Pro B ao Frantsa […]

Lalao Afrikanina amin’ny torapasika 2023 : mijanona fa tsy manam-bola ny Beach Soccer

Fahafaham-baraka ny an’ny Barea beach soccer, izay tsy hiatrika ny lalao afrikanina amin’ny torapasika 2023. Noho ny tsy fahampiana eo amin’ny hoenti-manana, tsy afaka ny handray anjara ny Malagasy. Nambaran’Ambinin­tsoa Harivelo, filohan’ ny delegasiona ma­lagasy, tetsy amin’ny foibe toeran’ny Komity olympika malagasy (KOM), omaly, fa tsy anisan’ireo ekipa handray anjara […]

Tropy Jeannette: haverina ho an’ireo mpianatra ny « H.M »

«Tropy Jeannette, mampitia hatrany ny teatra malagasy». Teny fanevan’ity tropy teatraly zokiny indrindra sy mihetsika indrindra ity io. Ho porofon’izany, hanolotra seho teatraly manokana ho an’ireo mpianatra izy ireo, ny 8 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, etsy amin’ny Tranompokonolona Anala­kely. Ilay piesy «H.M», nosoratan-dRakoto de Monplaisir, izay vao […]