Auteur/autrice : Adnews

Sarimihetsika: tafatsangana ny trano mpamokatra Laza Production

Production, izay tantanin’ny tale jeneraly Laza Re­tsanga. Eny Ambodirano Iva­to no misy ny foibeny. Hia­trika asa avy hatrany ry zareo. Eo am-panomanana ny horonantsarimihetsika “Anjoria” izy ireo ankehitriny ary hivoaka tsy ho ela ny vokatra, raha ny filazan’i Laza. “Ny hanandratra avo ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy no tanjon’ny Laza Production. […]

Seho etsy sy eroa…: nanokatra ny “Fetin’ny Fahaleovantena” ny “Fetin’ny Mozika”

Efa volon’andro fety! Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fidirana amin’ny fetim-pirenena. Nitohy, omaly, tamin’ny “Fetin’ny Mozika” izany, ary haharitra hatramin’ny 26 jona. Efa nisy tamin’ny faran’ny herinandro. Nalefa mialoha mantsy ny fa­namarihana ny “Fetin’ny Mozika”, teny Tanjombato ny sabotsy lasa teo, izay nokarakarain’ny Alliance Française. Nitohy omaly izany, tamin’ny […]

Ambodivonkely Ambohimanarina : lalana rarivato 800 m notokanana

Nivaly ny fangatahan’ny mponina eny Ambodivon­kely, boriborintany faha-6. Vita ka notokanana, omaly, ny lalana rarivato mirefy 800 me­tatra. Hanamaivana ny andavanandron’izy ireo izao fotodrafitrasa vita izao. Tonga teny an-toerana nitokana izany ny Gover­noran’ny faritra Analaman­ga, Rasoa­ma­ro­maka Hery. Ni­ara­ka taminy ny ben’ny Tanà­nan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Na­notrona azy ireo kosa ny […]

Fiaraha-miasa ara-tafika…: nanatrika ny “Salon de Bourget 2023”avy amin’ny Airbus ny MDN

Mitohy hatrany ny dian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa (MDN) sy ny delegasiona tarihiny any Bourget, Frantsa. Nihaona tamin’ny tale lefitry ny fiaraha-miasa sy ny fiarovana, Jérôme Bresson, ao Paris indray izy ireo. Nivoitra nandritra izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa momba ny fiarovana an-tanety sy an-dranomasina ary ana […]