Auteur/autrice : Adnews

Bakalorea 2023 : mitoka-monina ny mpanomana laza adina

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny fitokana-monina na “conclave”, araka ny fandaharam-potoana sy ny lamina napetraky ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hana­tanteraka «quarantaine», ara­ka izany, ireo mpanomana ny laza adina amin’ny fanadinana bakalorea. Toy ny fanao isan-taona, misy ny fivoriana iarahan’ny minisitry ny Fampia­narana ambony sy ny […]

Fahasalamana : nihena 25% ny tahan’ny olona mararin’ny tazomoka

Natao tany farafangana ny fanamarihana ny Andro iadiana amin’ny aretina tazomoka, tamin’ny herinandro teo. Nisongadina tamin’izany fa mahomby ny ezaka satria nihena 25% ny tahan’ny olona voan’izany (1,7 tapitrisa) raha 2,3 tapitrisa teo aloha. Tafiditra ao anatin’ny tatitra isan-taona faha-17 nataon’ ny vinan’ny filoha Amerika­nina momba ny ady amin’ny tazomoka […]

Tafajoro ny Aika : hitondra ny feon’ny tanora amin’ny COP 28

Nampahafantarina teny Ambodivona, omaly, ny fijoroan’ny Aika, ivondronan’ny fikambanana tanora 50 misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-mananaina voajanahary an-tanety sy anaty rano ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara. «Samy efa manana drafitrasa mampiavaka azy avy ireo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana fa havondrona ny hery […]

Fampianarana ambony : manamafy ny hampikatso ny fampianarana ny Seces

Hampihatra avy hatrany ny hevitra tapaka nandritra ny filankevi-pirenena ny Seces. Hanangana « Cellule de crise » ihany koa izy handinika ny raharaham-pirenena. Nivory ny sampana Seces Antananarivo, ny talata teo. Mana­mafy ny fe-potoana tapaka nandritra ny filankevi-pirenena hamalian’ny fitondram-panjakana ny fitakian’ny Seces ireo zo sy hasiny izy ireo hatramin’ny […]

Fitantanana sy andraikitra : saran-dalana sy solon-tsakafo no noraisin-dRasambany Alain Désiré

Iza moa izy ? Sekretera jeneralin’ny antoko HVM, Rasambany Alain Désiré. 39 taona ary zanaka mpampianatra sy mpamboly any Toliara II. Manambady ny tenany. Mankafy ny voamaina sy ny “Fruit de mer”. Anisan’ny fialamboliny ny mamaky boky sy ny “voyage” ary ny mamonjy “discothèque”. Tia ny basikety sy ny volley […]