Auteur/autrice : Adnews

Asara …mantsina !

Andro sisa dia hilanona ny vahoaka malagasy tsivakivolo. Hiara-hankalaza ny vanin’andro niverenan’ny fahaleovantena ara-politikan’i Madagasikara. Efa serintseriny sy somebiseby aoka izany ny mpikarakara, ankehitriny. Mandeha ny fizarana ny fanasana. Asa, iza avy no nahazo ny anjarany? Iza ihany koa no hanoina ny antso? Iaraha-mahalala fa efa vaky sy tsy misy […]

Mpandraharaha novonoina : notapahin-doha, nanjavona ny tongony

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana i Jackie,  mpandraharaha ao Toamasina. Razana tsy nisy loha sy tongotra aman-tanana no hitan’ny fianakaviana. Hita faty tanaty kirihitr’ala, akaiky fasana, ao amin’ny fokontany Ambalateza, kaominina An­do­dabe, Toamasina II, i Jackie, ny zoma heriny lasa teo. Ny havany sy ny mpiasany ihany no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana azy. […]

Niray tendro amin’ny dahalo : sefo fokontany nosamborina

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny sefo fokontany ao Ambohimiarina, kaominina Ambalafaminty, distrikan’ Antsohihy, afakomaly. Noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny dahalo mpangalatr’omby, nentina natao fanadihadiana io lehiben’ny fokonolona ao an-toerana io. Miara-miasa amin’ireo olon-dratsy, anisan’ny mandoto ny fandriampahalemana ao ana­tin’ity distrika ity ny fandraisany anjara sy fidirany an-tsehatra ka antony nanadihadiana azy. […]

Ankoatra ny eo Anosy…: hisy afomanga lehibe koa ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina

Toy ny fanao isaky ny 25 jona, hanamarihana ny fetim-pirenena, hisy indray ny fandefasana ny afomanga miavaka amin’ity. Efa ao anatin’ny fametrahana ny pitsopitsony ara-teknika avokoa ireo tomponandraikitra misahana izany. Efa vonona ihany koa ny toerana hanatanterahana izany. Nomarihin’ny komity mpikarakara fa efa voaara-maso avokoa ireo fitaovana rehetra entina ampiasaina […]

Herisetra ara-nofo : nidoboka eny Tsiafahy ilay nanolan-jaza 4 taona

Nalefa eny Tsiafahy vonjimaika, taorian’ny fampanoavana, omaly, ny lehilahy iray 34 taona nanolana zazavavikely. Vao efa-taona, nobatain’ io tsy mataho-tody io tampoka teny an-tokotanin’ny ray aman-dreniny io zazakely io. Tsy hita popoka taorian’izay ilay zaza. Tsikaritry ny olona tsara sitrapo anefa ny nitondran’io lehilahy io ilay zaza. Nihazakazaka nijery izany […]