Auteur/autrice : Adnews

Betroka sy Isoanala : manabe voho ny antokony ny MMM

Mivoy hatrany ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny tena fitsinjaram-pahefana sy manome vahana ny eny ifotony. Nihaona sy nihaino ireo mpikambana eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga tao amin’ny distrikan’i Betroka sy ny kaominina Isoanala, ny delegasiona no­tarihin’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, ta­min’izao fiandohan’ny herinandro izao. Nifanakalozana hevitra tamin’izany […]

Fitorian’ny APM: mitaky fanarahan-dalàna Razanamahasoa Christine

Nandray ny avy amin’ny Antoko politika madio (APM), ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Razanamahasoa Christine, omaly, teny Tsimbazaza. Nitondra ny taratasy fanamafisana ny fitoriana ny filohan’ny Repoblika izy ireo. Tonga nanamafy ny fitarainana sy ny fitoriana mom­ba ny fizakan’ny filohan’ny Repoblika ny zom-pirenena frantsay teny amin’ity andrim­panja­kana ity ry Rako­toarisoa Alban (Gangs­ta­­bab), […]

Antenimierandoholona : mandrahona hitokona ny mpiasa

“Hitanay fa misy lesoka be dia be, ary tsy mazava loatra amin’ny mpiasa ny fitantanana eto amin’ny Antenimi­eran­­doholona. Tsy mahamenatra anay izany. Izay no anisan’ny mahatonga an’izao fitokonana izao.” Io no nambaran’ny filoha lefitry ny sendikà eny amin’ny Antenimi­eran­doho­lona, i Rivoson Théo­gène, teny Anosy, oma­ly, ny amin’ny fitakian-dry zareo mpiasa […]

Madagasikara sy La Réunion: mitohy ary hihamafy ny fiaraha-miasa

Mifarana anio ny dian’ny filohan’ny « Région Réu­nion », Huguette Bello, eto Madagasikara. Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madaga­sikara sy La Réunion eo amin’ny sehatra maro no anton-diany teto. Teo ihany koa ny dinika tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ny amin’izay mety ho fiitaran’ny fiaraha-miasa. Olom-panjakana maro, sahala amin’ny filohan’ny Antenimierando­ho­lona sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny […]

Rahasindrahety Ny Ando Domoina: “Tokony havoaka ny datim-pifidianana fa lasa miroaroa saina ny olompirenena”

Aiza ho aiza ny fanomanana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao? Maneho ny heviny ny sekretera jeneralin’ny Association Soa amin’ny teny filamatra “Pour un avenir meilleur, pour tous!”, Rahasindrahety Ny Ando Domoina: “Andrasana ny famoahan’ny governemanta ny datim-pifidianana na ny fiantsoana mpifidy, fa lasa mieritreritra sy miroaroa saina ny olompirenena.” […]