Naseho, omaly, teny Antaninarenina, ny vola volamena 50 Ar, entina hanamarihana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Banky foiben’i Madagasikara. Naseho nandritra ny hetsika ihany koa ny birikim-bolamena malagasy voalohany milanja 12.5 kilao namboarina tany Istanbul. Vita ny famadihana ny volamena voadio (or doré) novidin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ho lasa hanan-danja […]
Auteur/autrice : Adnews
Nihena kely : latsaky ny 3 000 Ar ny kilaon’ny vary
Miaina kely ny mpanjifa ! Miakatra ny vary vakiambiaty ka midina koa ny vidiny. Nilaza i Jah, mpaninjara eny Amboditsiry, fa efa latsaky ny 3 000 Ar daholo ny kilaon’ny vary eto an-toerana, satria efa tonga tsikelikely ny vary avy any Alaotra. Mahatratra 2 700 Ar hatramin’ny 2 800 Ar ny […]
Antenimierandoholona sy La Réunion : fambolen-kazo 1 tapitrisa amin’ny 2024
Taorian’ny dia natao tany La Réunion, ny febroary 2023 teo, noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana tao amin’ny birao fiasany, etsy Anosy, ny filohan’ny Région Réunion, i Huguette Bello, omaly. Nohamafisiny ny fiaraha-miasan’ny roa tonta, toy ny lafiny tontolo iainana, izay hametrahana vina, hamboly hazo 1 000 000 amin’ny taona 2024. Eo […]
Tetikasa F4F: Ampivadiana ny fambolen-kazo sy ny voly
Miasa any amin’ny faritra roa, Diana sy Boeny, ny tetikasa « Global Forest for Future» (F4F). Manohana azy ara-bola ny minisitera alemà ho an’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa alemà ho an’ny fampandrosoana (GIZ). Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny tontolo manodidina sy ny ala (RPF). Miara-miombon’antoka manatanteraka […]
Tontolon’ny fitsarana : nametraka paikady ny minisitera
“Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fandraharahana eo anivon’ny fitsarana ny fametrahana tomponandraikitra vaovao. Anisan’ny paikady hanatrarana ny tanjona izany”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, ny herinandro teo, tany Ambatondrazaka. Nambarany fa hanamafisana izany ny fanamboarana ny fitantanana ny mpiasa, tahaka ny an’ny sehatrasam-panjakana rehetra hitondrana fanavaozana. Misy […]




