Auteur/autrice : Adnews

Fanaraha-maso lisitra mpifidy : tsy tokony hiandrasana fotoana farany

“Dieny izao, raha vao tonga eny amin’ny fokontany izay lisitry ny mpifidy ka ma­metraka petadrindrina fanentanana ny olompirenena ha­na­ra-maso ny fokontany: mila mijery haingana an’izay ny rehetra mba hahazoana miantoka ny fanarenana. Indrain­dray, miandry fotoana farany ny maro… ” Io ny nambaran’ ny mpampakateny, Andriama­ro­tafika Soava, momba ny famaranana ny […]

Rabary Paul : “Tsy ny fizakana zom-pirenena hafa no olana”

“Ny adihevitra dia ny filozofia itondrana ny firenena amin’izay manana zom-pirenena hafa: tombontsoan’iza no iadiana raha mitondra firenena?”, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, manoloan’ny adihevitra amin’ izao momba ny fizakan’ny fi­lohan’ny Repoblika zom-pirenena frantsay ka hoe tsy hahazoany mirotsa-kofidina intsony, araka ny fijerin’ny sasany. Ny fanontaniana raha ma­nana zom-pirenena […]

HVM tany Faratsiho : “Aoka tsy ho kivy isika”

Nanomboka ny fihaonany amin’ny vahoaka hatramin’ny niverenany an-tanindrazana ny filoha teo aloha, Rajaonari­mampianina Hery. Anisan’ny nisantarany izany ny any Faratsiho, distrika nataony fitaratra nanaovana tetikasa maharitra tamin’ny fotoam-pitondrany saingy tsy notohizan’ny mpitondra aty aoriana izany. Eo ny nanamboarana ny lalana sy ny hopitaly any an-toerana. “Tonga aho hitondra fanantenana sy […]

Fizakana zom-pirenena vahiny : mangataka fampiatoana ny filohan’ny Repoblika ny APM

Tsy mbola nifarana hatreo. Naneho ny heviny momba ny fizakana zom-pirenena vahiny ny eo anivon’ny Antoko politika madio (APM). Nitodika amin’ny Antenimierampirenena izy ireo ny amin’izany. “Angatahinay amin’ ny filohan’ny An­tenimierampirenena mba hiampanga ny filo­han’ny Repoblika ka hanatanteraka latsa-bato miaraka amin’ireo solombavambahoaka amin’izany, ary handefa azy hotsaraina eny amin’ny Fi­tsarana […]

Avy namonjy alim-pandihizana : tovovavy iray hita faty nihantona tao an-tranony

Hatairana ny an’ity re­nim-pianakaviana iray nahita an-janany maty nihantona tao an-trano, ao amin’ny fokontany Antanambaobe, kaominina ambanivohitr’i Vohilava, distrikan’i Manan­jary, afakomaly. Tsy fantatra mazava izay zava-niseho ka nitarika ny famonon-tena. Mbola tsy manam-bady izy. Araka ny fanazavan-dreniny nahita ny zava-nitranga tao an-tranony, nisy alim-pandihizana tao an-tanàna, na­mon­jy izany ny zanany. […]