Auteur/autrice : Adnews

Mihaingo ambony tsikoko !

Amin’ny ankapobeny, nanakoako ery ilay fanokafana indray ilay Rovan’i Madagasikara. Nanohina kely ny fo ny fahitana fa tafarina ilay izy 28 taona aty aoriana. Mirehareha tsy misy toa azy ny fitondram-panjakana fa nahatanteraka Velirano iray hafa. Iza tokoa moa no tsy nahare fa fanamby nataon’ny filohan’ny Repoblika ny fanarenana ny […]

Tandrevaky ny resevera: niantontan’ny taxi-be, maty i Johnny kely

Namoy ny ainy voatsindrin’ny taxi-be i Johnny, 10 taona. Tompon’antoka ny resevera iray, nangalatra nitondra ilay fiara ka nivarina tany an-tanànan’olona. Maty tsy tra-drano i Johnny kely, zazalahy vao 10 taona. Notsindrin’ny taxi-be iray, nivoaka ny arabe ka nivarina tany amin’ny tsenakelin’olona avy teo amin’ilay zaza. Teny Andrainarivo, no nisehoan’izany […]

Saika hamatsiana kaominina maro… : sprinter nahatrarana rongony tamina gony

Natolotra ny fampanoavana omaly, ka naiditra am-ponja vonjimaika ireo roa lahy voarohirohy tamin’ny varotra rongony. Tompon’ an­toka tamin’ny fitondrana zava-mahadomelina an-tsokosoko tamina fiara Sprinter iray, tao Farafangana. Voa­sambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Fa­rafangana izy ireo. Efa malaza amin’iny distrikan’i Farafangana iny ny fisiana olona mitondra rongony hamatsiana kaominina […]

Fetim-pirenena : hamafisina ny fandriampahalemana any Toamasina

Mikarakara hetsika ny polisim-pirenena avy ao amin’ny kaomisaria foibe, Toa­masina, amin’izao. Mba ha­nomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena sy hanakaikezena ny vahoaka. Tan­jona ny hanamafisana ny fandriampahalemana sy ha­nentanana ny olom-pirenena hanangan-tsaina eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy. Misy ny fidinana ifotony eny anivon’ny fokontany, toerana be olona ary ireo faritra mafana (Mo­rarano, […]

Finday hosoka : mpisoloky saron’ny zandary

Mivarotra hosoka, tra-tehaky ny zandary tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy, etsy Mahazo, ny lehilahy iray, afakomaly. Mandresy lahatra ny mpividy hanjifa ny telefaonina eo aminy izy. Rehefa raikitra ny fifampivarotana, havadiny zavatra hafa ny finday anaty baoritra. Soloiny tranony fotsiny ilay finday tena izy. Lasa lavitra ny mpividy vao tonga saina. […]