Auteur/autrice : Adnews

Halatra sy herisetra : ankizy teo am-pandriana nofiraina antsy teo amin’ny lohany

Vaky nisy dian’antsy mihitsy ny lohan’ilay ankizy 9 taona iray nokapain’ny jiolahy ny antsy teo am-pandriana, tao Toamasina. Io no vokatry ny fanafihan-jiolahy efatra nitondra fitaovam-piadiana tao Analankininina Hopita­libe Toamasina, parisela 12/21-22, ny herinandro teo. Niditra an-keriny tao an-trano ireo jiolahy ka niditra tao an’efitrano fandrian’ireo olon-dehibe. Nanambana basy sy antsy […]