Auteur/autrice : Adnews

Fakan-kevitra : lasa any Frantsa ny Mihava Tour

Tsy eto an-toerana. Na­nainga, omaly lasa any Frantsa ireo delegasion’ny Mihava Tour, maromaro, tarihin’ny depiote Randrianaso­loniaiko Siteny. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny hihaona amin’ny ireo zanaka am-pielezana Diaspora any Eoropa. “Hihaino ny hetahetan’ny vahoaka tsy an-kanavaka izahay. Anisan’izany ireo mala­gasy any ivelany. Mba manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena izy ireo. […]

Fifidianana: mbola mila mpanara-maso 15 000 isa ny Safidy

Niantso mpilatsaka an-tsitrapo. Naneho fahavononana amin’ny hanaraha-maso ny fifidianana ny eo anivon’ny biraon’ny Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana na SAFIDY, teny Ambatonakanga. Nivoitra tamin’ny fa­nam­barana nataon’ity vondrona mpanara-maso ny fifidianana ity ny antso ho an’ny olom-pirenena hilatsaka sy handray andraikitra an-tsitrapo sy tsy misy tambiny ho mpanara-maso ny […]

Fanomanana ny CEPE : tara vao tonga ny vola hividianana fitaovana

Nitaraina ireo talen-tsekoly tsy miankina sasany re­hefa naka ny taratasy fian­tsoana ny mpiadina ao aminy fa nangataka vola hanampiana amin’ny fampandehanana ny fanadinana ny lehiben’ny foibem-panadinana. Tara ny fahatongavan’ny vola avy amin’ny minisiteran’ny Fa­nabeazam-pirenena ka 20% amin’ny sora-bola ilaina aloha no eo am-pelatanan’ny tomponandraikitry ny foibem-panadinana. 200 Ar ka hatramin’ny […]

Tetiandrom-pampianarana: angatahan’ny mpampianatra ny hiverenan’ny tombana isaky ny telo volana

Natao tamin’ity herinandro ity, tetsy Mahamasina, ny fivoriana ho fanapahana ny tetiandrom-pampianarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024. Niara­hana tamin’ny sekoly miahy tena sy sekolim-pinoana izany, ahafahana maka ny hevitry ny rehetra. Tamin’izany no nahitana ny fanehoan-kevitr’ireo mpampianatra ny hivere­nana indray amin’ny fampiharana ny fanaovana tom­bana isaky ny telo volana fa […]

Antananarivo Renivohitra: 40 isan’andro ireo taxi-be anaovana fitsirihana

Namoaka naoty vaovao hanamafisana ny fitsirihana ho an’ireo fiara fitaterana iombonana eto an-drenivohitra ny fiadidiana ny Tanà­nan’Antananarivo Renivo­hitra. Niverina nanomboka ny volana desambra 2021 lasa teo izany, taorian’ny fangatahan’ireo kaoperativa teo anivon’ny fitaterana iombonana eto an-dRenivohitra. Manodidina ny 40 isan’andro ireo Taxi-be manao fitsirihana “visite de conformité » eny amin’ny […]