Nankalazaina ny faran’ny herinandro teo ny Andro maneran-tany ho an’ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana. Nanatanteraka izany teny amin’ny paroasy Anosy avaratra sy Ambohitsoa ny fikambanana fanilon’i Madagasikara, eto Antananarivo. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra fa ilaina sy zava-dehibe ny fahatongavan’ny fadimbolana, ary ny fahadiovana mandritra izany eo amin’ny ankizivavy. Mbola […]
Auteur/autrice : Adnews
Autiste : azo ampisaina ny fihetsika
Nijanona teto Madagasikara nandritra ny iray volana sy tapany ny orthophoniste belge sady mpampiofana, Dominique Ruidant. Nanao fifampizarana ny fomba fifaneraserana amin’ny alalan’ny fihetsika (sesame) amin’ny olona hafakely izy, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny Autisme Madagascar, Ravelonarivo Mihanta. Miainga amin’ny fampiasana ny tenin’ny tanana izany. Fanehoana sy fizarana […]
Faritra Sofia: notohanana ara-pitaovana ireo tomponandraikitra eny ifotony
Nahazo ny fitaovana mifanaraka amin’ny andraikiny avy ireo mpitantana eny ifotony sy ny hery mampihodina ny fiainam-bahoaka ao amin’ny faritra Sofia. Nizara fitaovana maro ho an’ny mpitantana eny ifotony ao Sofia ny fitondram-panjakana, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika ny delegasiona tany Boriziny ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy […]
Lalana RN 2 : mila manaraka ny fenitra ny asa
Nanomboka ny zoma 26 mey teo, ny fanarenana ny ampahany amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN 2). Mirefy 30 km ity andiany voalohany ity, izay anisan’ny tena ratsy, eo Manjakandriana (PK 48+720) hatreny Anjiro (PK 78+100), miampy ny tetezana eo amin’ny PK 117. Efa eny an-toerana ny fitaovana vaventy ampiasain’ny orinasa CHEC. […]
Sakafo andavanandro : ahiana mbola hiaka-bidy ny atody
Anisan’ny sakafo be mpividy sy maro mpihinana ny atody. Tato anatin’ny fotoana vitsy tsy nitsaha- niakatra anefa ny vidiny. Amin’izao 700Ar ny atody iray ary ahiana mbola hiakatra hatrany izany amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. “Tsy nisy nanam-po mihitsy hoe ho lasa 700Ar ny vidin’ny atody raha tsy mba nandalo fiakarana […]




