Auteur/autrice : Adnews

Fandaharanasa PLAE 6 : hamerina amin’ny laoniny ny ala 45.000 ha

Hampiakatra ny harinkaren’ny mponina sy hanarina indray ireo toeram-pambolen’ny tantsaha amina kaominina maro samihafa ary hametraka ala arovana, amina hektara maro hatramin’ny taona 2027, ny fandaharanasa PLAE 6. Hifantoka amin’ny fiarovana ny sahandriaka, nofon-tany, hahafahana manohy ny fitrandrahana ny harena voajanahary. Hikojakoja ny tany sy hamerina ireo rano manondraka ny […]

Ampahefa-dalan’ny OPL : hifandona ny Ajesaia sy ny CFFA

Hotanterahina, anio sy rahampitso, ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League 2023”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny rehetra ny fihaonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny CFFA Andoharanofotsy. Fi­fanandrinana hatao eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, anio sabotsy 27 mey 2023. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala […]

Basikety-Donovan : « Mahay i Etazonia saingy azo resena »

Nigadona teto Mada­gasikara, ny faran’ny herinandro teo, Rakotonanahary Donovan, mpilalaon’ny An­koay U19, nandranto ny taranja basikety tany Eta­zonia, nanomboka ny volana septambra 2022. Hiatrika ny fampivondronana miaraka amin’ireo namany ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany U19, hatao any Hongrie, izy. Nambarany fa nahita ny fomba filalaon’ny ekipa ao Etazonia […]

“Rugby Women’s cup 2023”: famaranana kely ny an’ny Springboks sy ny Makis Ladies

Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis avokoa ny sain’ny rehetra rahampitso alahady. Ho fantatra eo mantsy ireo ekipa roa hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby. Anisan’ireo hiady izany tapakila izany ny Makis Ladies. Hiditra amin’ny andro fahatelo sady farany, rahampitso alahady, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, rugby lalaovina olona […]