Tontosa, omaly, teny Tsimbazaza, ny fivoriambe iombonan’ny Akademia Malagasy. Fotoana nahatsiarovana ireo mpikambana efa maty teo anivon’ny fikambanana. Anisan’ny notsarovana manokana tamin’izany, ny Filohan’ny sampana tao Mahajanga, Issouf Ben Assoumacou. Marihina fa teraka ny 26 Marsa 1949 tany Morafeno, Mahajanga izy. Nodimandry ny 16 oktobra 2022. Notantaraina, nandritra izany, ny tantaram-piainany. […]
Auteur/autrice : Adnews
Seces Sampana Antananarivo: mitaky ny handoavana ny karaman’ny vakatera
Nivory teny Ankatso ny Seces, sampana Antananarivo, omaly. Tapaka nandritra izany fa mitaky ny handoavana tsy misy hatak’andro ny karaman’ireo mpampianatra vakatera manerana ny toeram-pampianarana eto amin’ny oniversiten’Antananarivo izy ireo. “Mikatona ho azy ny oniversiten’Antananarivo raha sanatria ka mitsahatra tsy mampianatra ireo vakatera ireo na dia ny antsasany ihany aza”, […]
100 taona Rakotovao Martin: Olomangan’ny firenena teo amin’ny fanabeazana sy ny finoana
Nanomboka, omaly, teny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza ny fahatsiarovana ny faha-100 taonan-dRakotovao Martin, mifanindran-dalana amin’ny fanamarihana ny faha-90 taonan’ny sekoly Anglikana trinité masina Avaratranjoma. Nisongadina izy teo amin’ny sehatry ny politika, fitiavan-tanindrazana ary ny fanabeazana sy ny finoana. Mpikambana tao amin’ny MDRM ny taona 1946 izy ary voasambotra sy voaheloka ho […]
Atsimo Andrefana: tombanana ny fiahiana sosialy
Mitohy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, amin’ity herinandro ity, ny hetsika Iray volan’ny fiahiana sosialy, karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Nisy ny fanangonan-kevitra niarahana tamin’ireo tomponandraikitra misahana ny asa sosialy ao amin’ny faritra ahafahana manatsara ny paikadim-pirenena momba ny fiahiana sosialy. Hanaovana jery […]
CUA : notokanana ny birao vaovao eny Antsahabe
Nahazo biraom-panjakana vaovao ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, eny Antsahabe. Tonga nitokana izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, sy ny Filohan’ny filankevitra monisipaly, Ralitera Andriamparany, omaly. “Natokana hiasan’ny departemanta misahana ny fananan’ny kaominina io birao vaovao io ary hahafahana mifanerasera amin’ ny mponin’ Antananarivo”, hoy ny ben’ ny […]




