Auteur/autrice : Adnews

CHU SSPA: nitombo ny olona tratran’ny fahakivian-tsaina tanteraka

Hopitaly mahavantana ny olona ny CHU SSPA eo Analakely. Manana sampana misahana ny fahasalaman’ny saina izy ireo. An-jatony isan-taona ny olona tonga manatona. Mampiavaka ny CHU SSP Anala­kely ny sampana ho an’ny fahasalaman’ny saina. Manome fitsaboana sy fandraisana an-tanana ary fanohanana ara-tsaina ireo olona manana olana ara-tsaina, midoroka zava-ma­hadomelina, olona mifanintona… […]

« Sokela, la parole du Sud » : Voaresaka avokoa ny zava-misy ankehitriny

Nivoaka indray ny « Soke­la, la parole du Sud », andiany fahafolo. Izy ity izay gazety boky nosoratan-dRasa­moelina Henri, mpanoratra sy mpahay tantara, ary niarahany niasa tamin’ny « Editions Universitaires Européennes » ny fanontana azy. Mbola any ivelany ihany no ahitana ny boky amin’izao ary efa eo am-panatanterahana ny hanaparitahana azy eto Madagasikara ny […]

Fanamarihana ny faha-15 taona : nankasitrahan’ny minisitera ny mi’Ritsoka Production

15 taona tsy niato, teo amin’ny sehatry ny famokarana fampisehoana sy fampitaovana hetsika ny mi’Ritsoka Production. Nomena mari-boninahitra ny tale jeneraly ho fankasitrahana ny zava-bitan’ity orinasa ity. Lanonana niavaka. No­toloran’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ny mari-boninahitry ny kanto, “Officier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture” […]

Fanentanana ny mpifidy : mitety tsena sy tanàna ny tetikasa “Haogna”

Eny ifotony. Tetikasa fa­nentanana sy fanetsehana ny tanora, ny vehivavy ary ireo manana fahasembanana handray anjara amin’ny fiainam-pirenena ny “Haogna”. Ani­san’izany ny zotram-pifidianana. Nambaran’ny tomponandraikitra fa miasa amin’ny distrika 20 amin’ny faritra 11 izy ireo. Anisan’izany Anala­manga, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsina­nana, Boeny, Bongolava, Diana, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Menabe ary […]