Auteur/autrice : Adnews

Indray mijery

Nanofana ireo mpilatsaka an-tsitrapo teto Anala­manga ny Croix Rouge malagasy, hanamafy ny fahaiza-manaon’izy ireo rehefa misehatra eny anivon’ny fiarahamonina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola miaraka amin’ny fanohanan’ny FICR sy ny Croix Rouge Alle­mande, Luxembourg ary Frantsay izany. Bisikileta miisa 171 nozaraina ho an’ireo mpampianatra sy mpianatra mendrika […]

Ady amin’ny lefan-kozatra: hanomboka rahampitso ny fanaovam-baksiny

Hanomboka rahampitso ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina polio na lefakozatra, ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona. Tantera­hina manerana ny Nosy izany ary haharitra 4 andro. Hidina ifotony, hitety fokontany sy isan-tokantrano ny mpanao vaksiny. Afaka misitraka izany ny zaza latsaky ny 5 taona rehetra. Manodidina ny 5 tapitrisa ireo zaza […]

Fividianana “seringue” : tsy ilàna taratasin’ny dokotera

Nisy fotoana, voarara ny fividianana fitaovam-panindronana na “séringue” teny amin’ny fivarotam-panafody sasany teto Antananarivo, raha tsy misy taratasy avy amin’ny dokotera (ordannance). Nampimenomenona sy niteraka fahasorenana tamin’ny mpanjifa sasany izany. Manoloana izany, nanambara ny holafitry ny farmasianina eto Madaga­sikara, afakomaly, fa malalaka ny fividianana izany. Voalazany fa tsy tomponandraikitra sy tsy nanana fahefana hilaza […]

Fivezivezen’ny sarety: misy toerana tsy azo aleha, handrindrana ny fifamoivoizana

Voararan’ny lalàna mihitsy ! Tsy azon’ny sarety ivezivezena ny ampahan-dalana sasantsasany eto Antananarivo. Mila hajaina izany handrindrana ny fifamoivoizana. Nampahatsiahy ny kaominina Antana­narivo Renivohitra mahakasika ny fitsipika mifehy ny fivezivezen’ny sarety eto amin’ny faritra Antananarivo. Voafa­ritry ny didim-pitondrana laharana faha 1913-MID/ PREF.POL, tamin’ny 31 mey 2019, fa voarara ny fifamoivoizan’ny sarety amin’ny ora rehetra amin’ireo […]

Fifidiananana : « Feno fanaratsiana ny fampielezan-kevitra »

Nifarana ny sabotsy, teny amin’ny Ivontoerana Arrupe, Faravohitra ny fanamarihana ny telo andron’ny sosialy, no­karakarain’ny sampam-pa­monjena sosialy sy ekolojika. Andro naompana tamin’ny lohahevitra :” fifidianana, fandriampahalemana sy filaminana eto Madagasikara”. Fampielezan-kevitra feno fanaratsiana, fankahalana, herisetra no zava-misy eto amintsika, raha ny fandinihana nataon’izy ireo sy antony nisafidianana ny lohahevitra. Tokony […]