Auteur/autrice : Adnews

« Ny asako rahampitso »: manampy ny mpianatra hisafidy lalam-piofanana horantovina

Manampy ny mpianatra hisafidy ny sokajy sy ny lalam-piofanana horantovina eny amin’ny oniversite, ny fandaharanasa “Ny asako rahampitso”, raha ny fanazavan’ny proviseur eo anivon’ny Lycée Jean Joseph Ra­bearivelo Analakely, Rako­tomalala Holy, raha nanontaniana, omaly. Andiany faha 15 ny hetsika, karakarain’ny Rotary club Ainga eto Anta­nanarivo. “Tombony betsaka amin’ny fandaharanasa toy […]

CUA- kaominina Ambohimangakely : niara-nanadio ny lalana “Rocade Iarivo”

Nisy ny fanadiovana faobe ny lalana “Rocade Iarivo”, nanomboka etsy amin’ny Rond-point Andranobevava, Nanisana, hatrany Ambohi­mangakely Amoronakona, omaly. Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antanan­a­rivo Renivohitra sy ny kaominina Ambohimangakely no nahatontosana izany. Niaraka nifarimbona ny mpanadio lalana avy amin’ny kaominina roa tonta satria toerana itambarana iny. Nandritra ny fiaraha-miasa teny an-toerana, […]

BEPC- Cisco Atsimondrano : hanomboka ny 2 mey ny adina fanatanjahantena

Efa hiroso amin’ny fanatanterahana ny adina fanatanjahantena ny Cisco eto Antananarivo amin’ny herinandro ambony. Manana foibem-panadinana telo ny Cisco Atsimondrano, ho an’ny taranja fanatanjahantena adina BEPC, amin’ity taona ity: Andoharanofotsy, Faliarivo Ampitatafika ary Andranonahoatra. Hosanta­rina ny 2 mey ho avy izao ny fandraisana ny mpiadina eny amin’ny foibem-panadinana Andoharanofotsy ary […]

Fifidianana filoham-pirenena : vonona ho kandidà ny depiote Masy Goulamaly, raha ilaina izany

Iza izy ? Ny depiote Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc. Manambady ary ma­nan-janaka efatra. Anisan’ny sakafo tiany ny haninkontrana : katsaka, vomanga, mangahazo. Eo koa ny anana sy ny angivy. Fialamboliny ny mikarakara ireo voninkazony. Anisan’ny fanatanjahantena tiany ny “Ping-pong”. Tia ny gadona sy hira klasika, ny beko sy tsinjake, […]

Ravalo tao Ambanja: “Hajaina ny fenitra demokratika”

Nitohy tany Ambanja ny dian’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nentaniny hatrany hanamarina ny anarany na hisoratra any amin’ny fokontany ireo mpifidy. Noha­zavainy koa anefa ny momba ny fifidianana. “Efa manana vahaolana hampiharina ao­rian’ny fifidianana isika, manoloana izao manjo ny firenena izao. Hajaintsika anefa aloha ny fenitra demokratika sy […]