Mozika tsisy fefy, mozika tsisy fetra… Faheno matetika izay, indrindra rehefa miresaka ny mozika jazz. Marihina isaky ny 30 avrily isan-taona ny Andro maneran-tany ho an’ny mozika jazz. Nanamarika izany nandritra ny taona maromaro ihany koa ireo mpanakanto sy mpankafy mozika eto Madagasikara. Ho an’ity taona ity, hiara-dalana ny mozika […]
Auteur/autrice : Adnews
Asa fanasoavana : hizara kanto ny Bandy Baraka Big Band
Fampiarahan-talenta mahaliana hatrany ! Ireo izay nahita na an-dalambe na anaty efitrano, dia samy niaiky ny fahaizan’ireo mpanakanto mivondrona ao anatin’ny Bandy Baraka Big Band. Mpanakanto mpiangaly karazan-javamaneno tsofina maromaro, ankoatra ireo zavamaneno mahazatra ireto navondron’i Seta Ramaroson anatin’ny Bandy Baraka Big Band ireto. Hisy mantsy ny seho izay hotontosain’izy ireo, […]
Fampirantiana « Lova » : miavaka ny ranty ataon’i François Xavier Gbré
Toerana miavaka sy fomba miavaka no hanehoana sy hanatanterahina ity fampirantiana ny sary maneho ny zava-nisy sy ny zava-misy ity. Hitondra ny olona handinika sy hieritreritra manoloana ny zava-misy ny tanjon’ny mpikarakara, indrindra ny mpaka sary, ao anatin’izao. Tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny 14 mey 2023, ny fampirantiana nampitondraina ny lohateny […]
Tsenaben’ny zavamaniry : efa voafandrika ny 60% ny tranoheva
Iray volana tsy higadonan’ny tsenaben’ny zavamaniry, efa voafandrika ny 60 isan-jaton’ny tranoheva, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra voalohany amin’ity hetsika “Foire des Plantes” ity, i Baholy Sarah. Hetsika hatao ny 1 hatramin’ny 4 jona ho avy izao, ao amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Andiany voalohany ny amin’ity taona […]
« FIM 2023 »: hanome sehatra ny fiarovana ny tontolo iainana
Hiompana betsaka amin’ny fikolokoloana sy fiarovana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra ny “Foire internationale de Madagascar” (FIM) amin’ity andiana faha-17 ity. Omaly, namory ireo mpandray anjara amin’izany ny mpikarakaraka ny hetsika ka nilaza fa homena sehatra izany, noho izy mahakasika olona maro. “Sambany no hisy anatin’ny FIM izao […]




