Mahatratra 116.700 ireo traboina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy tamin’ny fiandohan’ny taona. Betsaka manaraka izay ny fotodrafitrasa potika sy ny fambolena simba. Miisa 7.844.507 ireo olona voa mafy sy monina tany amin’ny toerana nadalovan’ny rivodoza, hoy ny tatitra voaray nandritra ny fanomezana ny taratasim-bola fiantohana ny loza voajanahary teny amin’ny minisiteran’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fid – Distrikan’Ikongo: amboarina ny lalana tena ratsy sy ny lalamby
Anisan’ny toerana iasan’ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana (Fid) ny distrikan’Ikongo, faritra Fitovinany. Amin’ny alalan’ny tetikasa « Asa vonjy voina » no hanatanterahana izany, nanomboka ny faramparan’ny volana marsa 2023 teo, nanarenana ny lalana tena ratsy. Nanapotika zavatra maro tany amin’ny distrikan’Ikongo ny rivodoza Batsirai tamin’ny taona 2022, indrindra ny trano […]
Bealalana : mpamaky trano roa lahy voasambotra
Noraisim-potsiny tao an-tranony ny jiolahy roa lahy namaky trano tao Bealalana, afakomaly. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Antanimanga izy roa ireo. Nobatainy tamin’izany ny fahitalavitra, ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny masoandro niampy ny vatoharatra sy zavamaneno. Nanao fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny tompon-trano. Natao ny fikarohana. […]
Toamasina : tra-tehaka ny tambajotran-jiolahy mpamotsy moto halatra
Niampy efatra indray ireo roa lahy efa voasambotry ny mpitandro filaminana tamina raharaha halatra moto nitranga tao Toamasina. Ravan’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto ary mamadika izany ho toy ny vaovao tao Tanambao V- Toamasina, ambadikin’ny fiantsonan’ny taksibrosy, afakomaly. Efa dahy ireo voasambotry ny zandary tamin’izany. Manova ny laharan’ny […]
Gadra manao MOP: tratra nanao fanafihana
Tsy mety fay! Nisy andian’olona avy ao Antanetibe Ambohitrarivo sy Akomby, fokontany Malaza, kaominina Avaratsena, nanao fanafihana miharo fandrobana ary fanapotehana fananan’olona ny herinandro teo. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa voafonja mamita asa ivelan’ny fonja (MOP) sy dahalo ireo nampihorohoro ny mponina tao an-toerana. Niroso tamin’ny fikarohana sy ny fisamborana ny […]




