Auteur/autrice : Adnews

Fanoratana sy famoronana : hisy ny atrikasa iarahana amin-dRalantoaritsimba Nirina

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny atrikasa mahakasika ny fanoratana, karakarain’ny Academie Nationale des Arts et de la Culture , ANAC, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Atrikasa natao ho an’ny mpanoratra sy ny maniry hiditra eo amin’ny sehatry ny fanoratana izy ity. Ralantoaritsimba Nirina, mpanoratra sy […]

« Caravane de Droit » : hampahafantarana ny lalàna

Fanentanana amin’ny alalan’ny andiana fiara. Hanom­boka rahampitso, handalo eny Talata Volonondry sy Anka­zon­dandy ny “Caravane de droit” na ny fiara Zo. Hitohy any Anjozorobe izany, ny 27 avrily izao. Andiana fiara hanaovana hetsika hampahafantarana ny zo sy lalàna eny anivon’ny vahoaka izany ka iarahana amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana sy […]

Lisitry ny mpifidy : miisa 379 000 no tsy maintsy harenina

“Maro ireo olom-pirenena milaza fa nisoratra anarana nefa tsy hita ao anatin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao. Izay indrindra no anaovana fanaraha-maso sy fitsirihana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andria­marotafika Soava, teny Ala­robia, omaly. Nahatratra 379 000, ohatra, ny isan’ny olom-pirenena izay nisy tsy fahatomombanana ny momba azy amin’ny fisoratana anarana. […]

Fivahinianana tany ivelany: naka traikefa tany Israely i Siteny

Noraisin’ny Praiminisitra Israelianina, i Benyamin Netanyahou ny filoha mpanorina ny Mihava Tour sady depiote, Randrianasoloniaiko Siteny. Notanterahina ny fa­ran’ny herinandro tany an-toerana izany. Anisan’ny voaresaky ny roa tonta ny fiainam-pirenena sy ny fifandraisana eo amin’i Israely sy i Madagasikara. Teo koa anefa ny dinika momba ny fananganana fotodrafitrasa, anisan’ny tena […]