Auteur/autrice : Adnews

Judo – « Luanda 2023 »: tompondakan’i Afrika Rasoanaivo Laura

Norombahin-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, ny medaly volamena, tamin’ny fifaninana « Luanda Junior African Cup » izay natao tany Angola. Nametraka azy ho isan’ny sangany maneran-tany amin’ny taranja Judo, sokajy latsaky ny 70 kg izany. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, nandritra ny fifaninanana «Luanda Junior African Cup», ho an’ny taranja Judo, sokajy vehivavy (-70 […]

Fitsangatsanganana Masina : nanovozan-kery ny « Chorale show »

Ny Koraïta avy ao amin’ny FJKM Manarintsoa Finoana, sy ny Jaws Band ary ny Chorale Feon’ny Fitiavana (Acut Ambohipo, Ankatso). Samy andrarezin’ny hira fiantsana ny hira evanjelika. Nafana ny teny an-tsehatra, satria, saika niompana tamin’ny Paska na ilay fotoana nandresen’i Kristy ny fahafatesana, ny hira nanakoako teny an-tsehatra. Na izany […]

Mila miala voly : mahazatra ny mitsangatsangana

Na tazana etsy sy eroa aza ny lanonana isan-karazany. Misy ny efa zatra mitsangatsangana. Efa zary kolontsain’ ny Malagasy isaky ny Alatsinain’ny Paska ny miala voly eny amin’ireo toerana heverina fa tsy handehanana matetika. Anisan’izany Ana­la­kely, raha ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Fitsangatsanganana tsotra, tsy handaniam-bola be loatra […]

Fampisehoana alatsinain’ny Paska: nahaliana ny mpankafy ny gadon’ny tanora

Anisan’ny manamarika ny alatsinain’ny paska ny fampisehoana an-tsehatra ataon’ny mpanakanto. Nampiavaka ny tamin’ity taona ity ny fironan’ny mpankafy ny mpanakanto mivoy ny gadona tanora. Nisongadina ireo fampisehoana nivoy sy nampandray anjara ny mpanakanto mivoy ny gadona ankafizin’ny tanora, ankehitriny, teto andrenivohitra. Izy ireny no nahaliana sy nahazo olona. Na izany […]

Fiahiana sosialy: nitondra ny traikefany ny Ivoarianina

Nitondra ny traikefany ho an’ny Malagasy ny delegasionina ivoarianina momba ny fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa nandritra ny herinandro, teny Ankorondrano. Voakasika manokana ny ho an’ny sehatra tsy miankina sy ny tontolo ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Rivotiana Richard Jean Bos­co. […]