Auteur/autrice : Adnews

Kaominina Antananarivo Renivohitra: mifanohana ny ben’ny Tanàna sy ny zokiolona

Ho fanamafisana ny fiarahana sy fiaraha-miasa miaraka amin’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nisy ny fiaraha-misakafo tamin’ireo mpiasa efa misotro ronono ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny zaridaina Anosy. Mahatsapa mbola manana adidy amin’ny fanampiana ny mpitantana sy ireo zandry mpiara-miasa amin’ny fanoroana azy ireo ny zoky. Ray aman-dreny […]

Fetin’ny Paska: tsy mahasakana ny vahoaka hifety ny fiakaran’ny vidim-piainana

Niala voly ny ankamaroan’ny Malagasy, omaly alatsinain’ny paska. Samy nifaly sy nampifaly ny fianakaviana ny rehetra. Tsy hita soritra izay fiakaran’ny vidim-piainana. Fety tetsy, lanonana teroa. Nankalaza ny fetin’ny paska, araka izay teo ampelatanany ny Malagasy. Azo lazaina fa toy ny isan-taona Nisomebiseby sy nifanitsa-kitro ny vahoaka. Na­hitana mpitsangatsangana maro […]

Mantasoa : 20mn ny faharetan’ny fandehanana lakana

Nidinika nanomana ny fiatrehana ny fetin’ny Paska, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomamy sy an-dranomasina (APMF), ny alakamisy 6 avrily teo. Ho an’ny tany Man­tasoa, tsy maintsy nandalo fanamarihana avokoa ny lakana rehetra nandeha. Toerana telo no azo niaingana, teny Ampasimpotsy Ambatolaona, Hôtel Ermitage ary ny faritra misy ny biraon’ny […]

Andriambolamanana Miangola: azo hampiarahana tsara ny tontolo iainana sy ny « cirque »

Tovovavy vao 17 taona monja Rtoa Andriambolamanana Miangola Tifani. Na mbola mpianatra aza, omeny lanja ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fikirakirany ny hetsika ara-dihy sy fanatanjahantena ary talenta (cirque), ao anatin’ny tarika « Mamay Company ». Dinidinika. Gazety Taratra (*): Inona ny tena ataonareo ao anatin’ny tarika « Mamay Company » ? Andriambolamanana Miangola […]