Hotanterahina ny 4, 5, 6 ary 7 avrily izao eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Telma Anosibe Angarangarana ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka ho an’ny boriborintany IV. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny karazana fitiliana mahazatra izay mahasarika ny olona. Anisan’izany ny fitiliana diabeta, hahafantarana ny tahan’ny siramamy anaty ra. […]
Auteur/autrice : Adnews
Vatsim-pianarana: Oniversite telo indray mitokona
Mafana ny tontolon’ny fampianarana ambony nanomboka omaly. Mitaky vatsim-pianarana ny mpianatra. Nanao fitokonana indray miaraka ny mpianatry ny oniversiten’i Fianarantsoa sy Mahajanga ary Toamasina. Nanao fitokonana fitakiana vatsim-pianarana ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga (Ambondrona) sy Fianarantsoa (Andrainjato), omaly. Na ao anatin’ny fotoam-pialantsasatry ny paska aza ny fampianarana ambony, mandeha […]
Fampirantiana chocolat: “Fampiroboroboana ny fihariana”
Maherin’ny 3500 ireo olona nijery fampirantiana momba ny chocolat (salon du chocolat) tao amin’ny Carlton, ny faran’ny herinandro teo. Azo ambara fa nahomby tanteraka. Fampirantiana nokarakarain’ny Fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), tohanan’ny banky BNI Madagascar. Ny roa voafidin’ireo mpitsara nahafa-po indrindra dia ny tranohevan’ny Sambika sy Gourmet. «Ny tombontsoa azo […]
Planète Vivante: mety ho ripaka tanteraka ny sokatra mialohan’ny 2050
Araka ny tatitra ataon’ny « Planète Vivante » isaky ny roa taona avoakan’ny WWF, manambara fa mandalo fotoan-tsarotra ireo bibidia anaty ala eto Madagasikara. Mampanahy ny hoavin’izany eto Madagasikara, manana betsaka indrindra maneran-tany, 80 % eto an-toerana ihany no ahitana azy ( 91 % biby mandady, 80 % zavamaniry). Haingana loatra ny […]
FISEMARE : tokony ho 1 tapitrisa Ar ny karama farany ambany
Tsy ampy ny karama farany ambany, 250.000 Ariary apetraky ny fanjakana, raha ny fanambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fisemare (Firaisamben’ny Sendikan’ny mpiasa malagasy Revolisionera), Mananandro Raphael, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety. Nilaza izy fa tsy mahavita na inona na inona izany manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny. Tokony hojeren’ny fanjakana ny hisitrahan’ny mpiasa […]




