Atokana ho Andro maneran-tany ho an’ny olona mifefy tena (autiste) ny 2 avrily. Nikarakara varavarana misokatra ny foibe Sammy ‘O, eny Ankadivory Ambohimamory, ny sabotsy teo, nankalazana izany, izay mitaiza ankizy sy tanora, sokajiana ho «autiste». Nifanakalo fahalalana sy hevitra ny rehetra tonga, toy ny ray aman-dreny manana zanaka mifefy […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanomezan-jo : mila lamina manokana ny «autiste»
«Mitovy amin’ny fomba fiainan’ny olom-pirenena rehetra ihany ny fiainan’ny olona hafakely (Autiste)», hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Autisme eto Madagasikara, Raveloarimisa Mbolatiana , ny Alahady teo, teny Tsimbazaza. Nilaza izy fa tsy vitan’ny minisitera iray na tompon’andraikitra iray ny fitaizana azy ireo fa ilaina ny fandraisan’andraikitry ny rehetra. Tsara […]
Tsingerin-taona faha-10 : nivoatra nanaraka ny teknolojia ny KoloTV/FM
Nitsangana ny 31 marsa 2013 ny haino aman-jery KoloTV/FM. Feno 10 taona katroka ary nanamarika izany tetsy Antanimena, ny zoma hariva teo. Haino aman-jery efa nandalo fotoan-tsarotra sy sedra ny Kolo TV/FM sy ny Kprod. Anisan’ izany ny fanakatonana azy saingy mbola izao nahatratra ny faha-10 taonany izao ary mbola […]
Fikambanana Tao : manentana hiady amin’ny fanolanana
Manao hetsika mitety vohitra amin’ny fandehanana an-tongotra sy ny fitaingenana bisikleta, manentana ny mponina hiady amin’ny herisetra ara-pananahana atao amin’ny ankizy ny fikambanana Tao. « Run and bike, Aoka izay ny fanolanana» ny anaran’ny hetsika fanatanjahantena mifandraika amin’izay. Mandritra ny fitsidihana koa no hanangonana vola avy amin’ny malala-tanana hanohizana ny asa […]
Cntemad : havadika ho oniversite nomerika
Havadika ho oniversite nomerika ny ivontoeram-pampianarana ampitain-davitra amin’ny fampianarana ambony (Cntemad) eto Madagasikara. Nisy atrikasa natao tany Paris, nandritra ny roa andro, ny volana marsa teo namolavolana vovonan’ny oniversite nomerika afrikanina ka nandray anjara ny delegasiona malagasy. Nodinihina nandritra ny fihaonana ny fananganana antontan-kevitra iraisana momba ny fitantanana ireo mpampiofana, […]




