Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tao anaty rano tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, omaly maraina. Ahin’ireo mpiasa ao an-toerana ho mamo io lehilahy io ka latsaka tampoka tao anatin’ny rano ary nitarika tamin’ny fahamoizany aina. Nirefotra tampoka ny fitaovana mpamokatra herinaratra « groupe » ka nahamay ny trano iray tao amin’­ny Valpinson, kaominina Toamasina, […]

Tanjombato : Lehilahy tratra teo am-pamakiana trano

Tra-tehaky ny polisy teo am-pamakiana tranon’olona iray, tetsy Malaza Tanjombato, ny lehilahy iray, 30 taona, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Nihanika tambohon’olona io olon-dratsy io. Nahatsikaritra izany ireo polisy nanao fisafoana amin’ny alina sy efa nametraka paikady ka nanenjika sy nisambotra azy. Nan­dositra avy hatrany anefa ity farany vao nahatazana […]

Nanendaka mpitondra moto : Dimy lahy nosamborin’ny polisy

Voasambotry ny mpitandro filaminana, afakomaly, taorian’ny fikarohana ireo olona miisa dimy voasaringotra tamin’ny fanendahana mpitondra moto iray teny amin’ny fokontany Ankadivoribe, kaominina Soavina, distrikan’Atsimondrano. Nitrangana asan-jiolahy teny an-toerana, ny alin’ny alarobia 18 febroary lasa teo. Nikasa hamonjy fodiana ny mpitondra moto iray rehefa niainga avy eny Anosizato. Nandrasan’ireo jiolahy kendry […]

Nanolana ankizivavy 16 taona: Roa lahy naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja any amin’ny fonjan’Antsirabe, omaly, ny lehilahy roa. Tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy 16 taona, tany Antanifotsy. Teny ambony bisikileta handeha hody ity ankizivavy ity no tratran’ireto olon-dratsy ireto. Niakatra fampanoavana eo anivon’ny fitsarana tao Antsirabe, omaly, ireo roa lahy, tompon’antoka tamin’ny fanolanana ankizivavy 16 taona, ny 16 febroary 2026, […]

Fanampiana ny traboina: Napetraka ny Vovonana handrindra ny fitsinjarana

Taorian’ny antso voim-pirenena nataon’ny fitondram-panjakana, betsaka ireo mpiray ombon’antoka sy firenena vahiny naneho fahavononana hanampy amin’ny fanarenana rehefa nitranga ny voina. Misy ny dingana tsy maintsy arahina mialoha ny famoahana vola sy izay voafaritry ny lalàna malagasy mifehy ny fitantanambolam-panjakana amin’ ny fampidirana izany anatin’ny kitapom-bolam-panjakana sy ny kaontin’ny BNGRC. […]