Auteur/autrice : Adnews

Firaisamonina sivily : “Mila hatsangana ny filankevitra fampandrosoana CESC “

Efa taona maromaro no nikaondoha ny firaisamonina sivily ny amin’ny tokony hananganana amin’izay ny Filankevitra ara-toekarena sy sosialy ary ara-kolontsaina (CESC), araka ny And. 105 ao amin’ny lalàmpanorenana. Niaraka tamin’ny mpisehatra rehetra ry zareo ta­min’izany. Eo ny ny avy amin’ny fanjakana, mpandraharaha, na sendikà… Nisy àry ny atrikasa teny Anta­ni­na­renina, […]

Fifindra-monina an-tanàn-dehibe: tokony hanana paikady ny mpitantana

Mirongatra ny fifindra-monina, indrindra ny an-tanàn-dehibe, ankehitriny. Antony maro no mahatonga izany. Manerantany izany tranga izany fa tsy ny eto Madagasikara ihany. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny Ta­nà­nan’Antananarivo, ny fitsidihana ara-pombam-pifanajana ny tompon’andraikitry ny tananan’An­ta­nanarivo, nataon’ny talem-paritry ny OIM aty amin’ny faritra Atsimon’ny Afrika, Ashraf El-Nour. Ny anton’ny fifindramonina, ny […]

Hetsiky ny Fimpima: ho foana ny fiantsonana eo Analakely

Ho fanokafana ny fankalazana ny faha-60 taona niore­nan’ny fikambanan’ny mpikambary malagasy (Fimpi­ma), hotanterahina eny Ana­lakely sy ny manodidina. Nampa­hafantarin’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra ny ho fanafoanana ny fiantso­nan’ny taksibe rehetra manaraka ny araben’ny Faha­leovantena miainga eo amin’ny Miniso Life ka hatreny amin’ny Pizza mania anio. Manentana ny mpampiasa lalana hanaraka ny […]

Fahasalamana: mahaaro karazan’aretina 11 ny fahavitana ny vaksiny alohan’ny roa taona

Namerina nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fahavitan’ny vaksiny tokony hatao mialohan’ny faharoa taonany ny tompon’andraikitry ny vaksiny etsy Befelatanana. Mahavita miaro ny zaza amin’ny karazan’aretina 11 ny vaksiny ary tokony hovitaina mialohan’ny faha roa taonany. Anisan’izany ny aretin’ny raboka, koho-davareny, tetanosy, lefakozatra, kitrotro, difteria, pnemonia, aretin-tsofina… Mila averina anefa ireny […]

Med’s event: miray hina ireo mpianatra ho mpitsabo

Naharitra 5 andro ny hetsika “Med’s event” nataon’ny mpianatra ho mpitsabo teny Ankatso. Nofaranana tamin’ny fampisehoana rindrankira ara-pilazantsara sy hetsika maro samihafa izany, omaly. Anisan’ny nampiavaka izany ny fanomezan-danja ny ko­lontsaina sy ny sosialy. Tan­jona ny fanamafisana sy fampisehoana amin’ny olon-drehetra fa miray hina ireo rehetra ao amin’ny fakiolite. Fo­toana […]