Auteur/autrice : Adnews

Filoha Rajoelina Andry: “Mendrika ny zava-bitan’ny mpilalao basikety malagasy”

Taorian’ny nandraisan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Barea, ny herinandro lasa teo, nahazo ny anjarany ihany koa, omaly, ny Ankoay lahy sy vavy. Tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3 ny sokajy lehilahy, tompondaka lefitra kosa ny vehivavy, ny taona 2022. Efa nandrombaka ny medaly volamena ihany koa, teo amin’ity taranja basikety 3×3 […]

Minisitry ny fitsarana : nitsidika ny fonjaben’Ambalatavoahangy

Tao Toamasina no nanohizan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, ny fidinana ifotony ho fanomanana ny fanokafana ny fotoam-pitsarana 2023, afakomaly. No­tsi­dihan’ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Fitsa­rana sy ny Fitsarana tampony ny fonjaben’Ambalata­voa­han­gy. Fankaherezana ireo voafonja, fanazavana ny fanalefahan-tsazy ary dinikasa niarahana tamin’ireo mpandraharahan’ny fonja ao an-toerana no natao. Ny tolakandro, […]

Etamazaoron’ny tafika: « Adidintsika ny fambolen-kazo »

Novolen’ny tafika avy eo anivon’ny Etamazaoro telo eo anivon’ny foloalindahy zana-kazo ny tany mirefy 2 Ha tao amin’ny fokontany Antsaha­maro, kaominina Talata-Vo­lonondry, distrikan’Antana­narivo Avaradrano, omaly. “Adidintsika ny mamboly ha­zo”, hoy ny lehiben’ny Eta­ma­zaoron’ny Tafika, Jly Sa­hivelo Lala Monja, teny an-toerana. Anatin’ny fanantanterahana ny velirano fahafolon’ny filoham-pirenena, zana-kazo mitotaly 5 000 no […]

Tangalamena ao Andilamena: tsy manaiky ny hanesorana ny kaomandin’ny kaompania

Nilaza tsy hanaiky ny fanesorana ny kaomandin’ny kaompania ny zandarimariam-pirenena, ny fikambanan’ny Tangalamena ao Andilamena manoloana ny fihetsika ataon’ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana… Nivoaka tao anatin’ny fanambarana nataon’ireo raiamandreny Tan­galamena ao amin’ny distrikan’ Andilamena ny tsy faneken’izy ireo ny hanesorana ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena. “Tao anatin’ny telo taona nifanesy, nisy ny […]

Vondrona Afrikanina : manomboka anio ny fivoriambe faha-36

Tontosaina ao Addis Abeba, Ethiopie, ny fivoriamben’ny firenena ao ana­tin’ny Vondrona Afrikanina. Ny 18 sy 19 Febroary 2023 no hanaovana ny fivoriana. Filoham-panjakana sy lehibena governemanta avy amin’ ny firenena mpikambana no ho avy hanatrika izany. Man­dray anjara amin’izany ny firenena malagasy amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Hifandinika […]