Auteur/autrice : Adnews

Afrika -CEDEAO*: ho an’ny fambolena, fotodrafitrasa, fitaterana

Nankatoavin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad) ny hanome 50 tapitrisa dolara sy 50 tapitrisa euros ireo tany afrikanina mpikambana ao Afrika andrefana. Mbola ampian’i Chine 30 tapitrisa dolara izany amin’ ny alalan’ny «Africa Growing Together» fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Afrika. Nomena izany famatsiam-bola izany mandritra ny telo taona […]

Varotra lavanila: nifampiresaka ny mpandraharaha sy ny minisitera

Ny 15 novambra 2022 no nisokatra ny fotoam-panondranana lavanila ary tsy hitsahatra izany raha tsy ny faran’ ny volana mey 2023. Natom­boka ny dinika fitadiavam-bahaolana eo amin’ny fihariana lavanila manoloana ny ola­na misy sy ny fitarainana. Noho izany, nanokatra fiaraha-midinika ta­min’ireo mpandraharaha mpanondrana lavanila ny minisitera misahana ny Varotra. Dingana […]

Fandraharahana: mitaky fitsarana madio sy tsy mitanila ny Gem

Mahatsikaritra ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem), fa maromaro ny raharaham-pitsarana mikasika ny orinasa tsy miankina, tsy voahaja ny lalàna. Miteraka endrika ratsy ho an’ny Madagasikara ho an’ny mpampiasa vola vahiny izany, sy eo anatrehan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena mahazatra. Manaitra ny sain’ny fi­tondram-panjakana ny Vondron’ny mpan­draharaha eto Madagasikara mikasika ny […]

Cua – Boriborintany enina : hizara kopia fohy miisa 6000

Hizara kopia fohy maimaimpoana ny kaominina Antanananarivo Renivohitra. Miisa 6000 izany ary 1000 isa hozaraina isaky ny boriborintany tsirairay avy. Hi­sitraka ity tolotra ity ireo ray aman-dreny sahirana mampiana-janaka eto Andrenivo­hitra. Mba ho fitsinjovona azy ireo amin’ny fikarakarana antontan-taratasim-panadinana ny tanjona. Hahazo tombony ireo ray aman-dreny sahirana manan-janaka hanala fanadinam-panjakana […]