Noho ny fahantrany, nokasain’ny renim-pianakaviana iray hotaperina ny ain-janany tao Morafeno-Toamasina, ny alin’ny alarobia teo. Nipetraka teo amin’ny sisin’arabe, sendra nandalo teo anoloan’ireto telo mianaka mpangataka an-dalambe ny sekretera jeneralin’ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina. Tsikariny tamin’izany fa tsindrian’ilay reniny ary tereny eo amin’ny vavaorony ilay zanany lahikely. Matory eo akaikin’io ramatoa […]
Auteur/autrice : Adnews
Ceni – Afham… Entanina hifidy ireo olona sembana
Akaiky ny fifidianana. Hifarana amin’ny 31 janoary izao ny fisoratana anarana ao anaty lisi-pifidianana manerana ny Nosy. “Nentanina ho tonga hifidy sy hanoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana ireo olona manana fahasembanana satria olom-pirenena izy ireny”, hoy ny filohan’ny Afham (fikambanan’ny Vehivavy manana fahasembana eto Madagasikara), Razafinjato Fela. Maro ny olana […]
Manasa-dalana « Mondial Hand 2023 »… Hanala vela amin’i Soeda i Frantsa
Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana “Mondial Handball 2023” lehilahy i Frantsa. Araka izany, hanala vela amin’i Soeda izy ireo anio, any Stockholm. Raha hiverenana ny lalao ampahefa-dalana, lavon’ny Les Bleus tamin’ny isa 35 no ho 28 i Alemaina. Fihaonana izay natao tany Pologne, ny alarobia lasa teo. I Soeda kosa […]
Fiaraha-miasa… Manohana an’i Madagasikara hatrany ny fanjakana Indianina
“Vonona hatrany izahay ny hanohana an’i Madagasikara eo amin’ny lafiny fiarovana an-dranomasina, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fizahantany ary ny teknolojia, toy ny fiaraha-miasa rehetra efa nisy hatramin’izay”, hoy ny masoivohon’ny Repoblika Indianina miasa sy monina eto Madagasikara, Bandaru Wilsonbabu. Nandritra ny fankalazana ny faha 74 taonan’ny fetim-pirenena indianina no […]
USAID-Hay tao… Ho rakotr’ala indray i Madagasikara
“Maro ny vokatra azo tamin’ny tetikasa USAID Hay tao”, hoy ny tompon’andraikitra. Manampy an’i Madagasikara mba hanatratra ny tanjona: “Ho rakotr’ala indray. Nofaranana tamin’ny fikaonandoha teo anivon’ny mpikambana ny tetikasa USAID Hay tao, omaly. Notanterahana teny Anosy ny lanonana. Tanjona ny hanampiana an’i Madagasikara amin’ny fitantanana ny harena voajanahary sy […]




