Auteur/autrice : Adnews

Base Toliara… Mitaky ny mangarahara ny tanora manam-pahaizana

Anisan’ny naneho hevitra mikasika ny tetikasa Base Toliara ny fikambanan’ny tanora manam-pahaizana, « Jeune cadre de Toliara » (JCT). Nilaza ny filoha lefiny, Zafera Ulrich, omaly, fa « tsy manakana ny hanokafana indray ny orinasa Base Toliara izahay, satria, tanjona ny hisian’ny fampandrosoana any Toliara sy ny faritra Atsimo Andrefana. Iaraha-mahalala fa mandalo […]

Tetikasa Produir… Anisan’ny miaro amin’ny tondra-drano ireo fotodrafitrasa vita

Mitondra ora-mikija manerana ny Nosy ny rivodoza Cheneso. Tsy afa-bela amin’izany ny eto Antananarivo, miantraika  any amin’ireo fotodrafitrasa maro mitantana ny fivarinan’ny rano.  Nisy ny fandrindrana mialoha ny asa hatao, mba hampihenana ny fiantraikan’izao tranga vokatry ny toetr’andro ratsy izao. Isan’izany ny fotodrafitrasa nataon’ny Tetikasa fampandrosoana ifotony sy fiatrehana ny […]

Orinasa mendrika… Voalohany amin’ny sokajy RSE ny Star

Natolotra, ny alarobia teo, ny amboara ho an’ny orinasa mendrika tamin’ny taona 2022, karakarain’ny Memento. Voalohany tamin’ny sokajy Andraikitry ny orinasa amin’ny asa sosialy (RSE), ny Star. Fanasokajiana nokarakarain’ny Memento, hampilaharana ny orinasa mendrika indrindra sy nijoro tao anatin’ny vanim-potoan’ny krizy ara-pahasalamana sy toekarena ny taona 2021 sy 2022. Anisan’ny […]

Tatitry ny BNGRC… 16 ireo olona maty vokatry ny rivodoza

Niakatra ho 16 ireo olona maty vokatry ny  fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny firenena.  Mahatratra 16 ihany koa ireo tsy hita popoka nandritra izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny BNGRC, omaly. Mahatratra 55 421 ireo olona traboina manerana ny Nosy, vokatry ny  fiakaran’ny rano sy ny fahapotehan’ny trano fonenana.  12 665 […]