Auteur/autrice : Adnews

EFiba andiany 1…Tompondaka lefitra i Madagasikara

Nioty vokatra tsara amin’ny ankapobeny ny solontena malagasy niatrika ny fifaninanana NBA 2k23 eFiba andiany voalohany, taranja basikety. Fifaninanana “jeu video” nandraisan’ny firenena afrikanina 30 anjara, izay notsinjaraina ho 6 isam-bondrona izy ity. Tompondaka lefitra i Madagasikara rehefa lavon’i Maraoka teo amin’ny lalao famaranana. Tsara io vokatra io ho an’ny […]

Tenisy – « Open d’Australie »… Tafakatra amin’ny lalao manasa-dalana i Djokovic

Mitohy hatrany ny fahombiazan’i Djokovic, mpilalao tenisy Serba. Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalanan’ny fifaninanana “Open d’Ausralie Grand Chelem” ny tenany. Lavony tamin’ny seta 3 no ho 0 (6/1, 6/2, 6/4) i Andrey Rublev, mpilalao rosianina, omaly. Lalao izay natao tao amin’ny kianjan’i Rod Laver Arena. Naharitra adiny roa mahery teo […]

Atrikasa momba ny gitara… Nisy ny fifampizarana teo amin’i Arnito sy ny mpandray anjara

Tontosa ny alarobia 25 janoary 2023, tao amin’ny Direction Régionale de la Communication et de la Culture na DRCC Amoron’i Mania, ny atrikasa momba ny gitara, niarahana tamin’i Arnito, mpitendry gitara matihanina, avy any Frantsa. Niavaka kely ny tao Ambositra raha oharina amin’ny natao teto Antananarivo sy tao Antsirabe. Nisy […]

Mpiofana miaramila 122… Vonona hiady anaty akata  

Nandrato fahalalana sy fahaiza-manao nandritra ny sivy volana ireo mpiofana miaramila. nahavita izany tany Imerintsiatosika izy 122 lahy. Ankehitriny, vonona handray ny andraikiny avy ny tsirairay.  Tafika an-tanety handeha tongotra sy hiady anaty akata. Ireo no adidy miandry an’ireo mpiofana miaramila 122 nivoaka tetsy Betongolo, omaly. Andro namaranana tamin’ny fomba […]