Efa hatramin’ny taona 1964, nisian’ny Institut Français de Madagascar na IFM Analakely. Mbola Centre Culturel Albert Camus na CCAC no anarany tamin’izany fa noho ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny taona 2012 no niovan’ny anarana. “Misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa, rehefa miray vina amin’ny fanandratana ny kolontsaina. Na ho an’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
ONG HWL sy ny Institut IGSA… Hanome vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra sahirana
Miara-miasa ny ONG maorisianina Human welfare league (HWL) sy ny Institut culturel et social Al-ghazali (IGSA) eto amintsika hanome vatsim-pianarana ny mpianatra malagasy. Ireo mendrika sy misongadina nefa tsy manana fahafahana hanohy fianarana ambony intsony no iantefan’izany. Natokana ho an’ny mpianatra manana ny mari-pahaizana bakalorea ka nahazo ny salanisa 15/20 […]
Lemak’Antananarivo… Arahi-maso ireo vavarano
Mitohy mikija ny orana eto Antananarivo. Nilaza ny Apipa fa arahi-maso akaiky ireo vavarano mandefa ny ranon’orana hivarina any an-drenirano. Miasa andro aman’alina ny ekipa rehetra ary mihodina avokoa ireo Station de pompage enina iandraiketan’ny Apipa manafaingana ny famoahan-drano. Nanentana ireo kaominina rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina handray ny […]
Tatitry ny BNGRC… Valo ny maty noho i Cheneso
Valo ny olona maty nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Telo amin’izy ireo mbola tsy naharenesana vaovao hatreto. Mahatratra 17 ireo tsy hita popoka nandritra izany raha ny tatitra voaray teo anivon’ny BNGRC, omaly. Mahatratra 46 394 ireo traboina manerana ny Nosy. Tsy maintsy nafindra toerana noho ny fiakaran’ny […]
Rivodoza Cheneso… Mbola mitondra rotsak’orana be
Tsy ahina ny hiverenany an-tanety fa kosa hivoatra any amin’ny maherin’ny 100 km miala ny morontsiraka ato anatin’ny telo andro manaraka i Cheneso. Noho izany, mety ho voakasiky ny tafiotra manodidina ny 50 hatramin’ny 80 km isan’ora ireo distrika amin’ny morontsirak’i Menabe sy Atsimo Andrefana, omaly sy anio. Vokany, iangaviana […]




