Auteur/autrice : Adnews

Pasitera Mailhol : mampisalasala ny hisian’ny fifidianana

“Raha jerena ny zava-misy sy ny famakafakana politika eto amin’ny firenena, tsy mampino ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity” hoy i Pasitera Mailhol. Voalohany, nisalasala ny filohan’ny CENI tamin’ny volana No­vambra mikasika ny tsy fahampian’ny vola hanaovana ny fifidianana. Faharoa, sivy volana aty aloha, mbola tsy nanambara ofisialy mikasika ny […]

GMMAR : mila angaredona ny fanohanana ny Filoha Rajoelina

Manoloana ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry, amin’ny tokony hanambarana ny hery, dia nanao fanambarana ny eo anivon’ny « Groupe Mamy Jô Miaraka amin’i Andry Rajoe­lina» na ny GMMAR. Ma­namafy hatrany ny fanohanany ny Filoha amperinasa ny mpikambana, tarihin’Atoa Ranarison Maminirina Clarys na i Mamy Jô. «Mitaona sy manentana ny […]

Nosy Faly: mijoro ny Vondron’ny tanora ifotony

Mijoro ara-dalàna ao Antafiambotry, Nosy Faly, distrikan’Ambanja, faritra Diana, ny Vondron’ny tanora ifotony (VTI) mikatsaka fampihavanana sy fanorenana ifotony ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Tanteraka izany taorian’ireo fankalazana telo sosona tany an-toerana tamin’ny 12,13,14 aogositra 2022: fidirana ny “mosquée” nohavaozina, sy fanaovana joro ara-pirazanana, ary fitsofandrano ny ivontoerana fandraisam-bahiny sady fampiofanana […]

Fianakaviana lasa nanao fety… : kila hotohoton’ny afo ny trano

Trano miisa 12 indray kilan’ny afo tao Bemiditra, fokontany Ambalakazaha Avaratra, kaominina sy distrikan’i Manakara, afakomaly. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, fipoahanana herinaratra tao amina tokantrano iray nihidy no niantombohan’ny afo. Voalaza fa lasa nanao fety tany an-toeran-kafa ny tompon-trano sy ny fianakaviany, kanjo hotohoton’ny afo tanteraka ny trano. Vokany, […]