Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Manomboka miakatra sahady ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao ankatoky ny fetin’ny asaramanitra izao. Lasa 850 Ar ny vidin’ny atody raha toa ka mbola 700 Ar izany teo aloha. Mananika ny 9 800 Ar ihany koa ny vidin’ny menaka eny amin’ireo mpamongady, raha toa ka efa mahatratra 10 000 Ar izany […]

Tohodranon’i Soanala : Niakatra avo roa heny ny voka-bary

Manondraka velaran-tany 2 026 ha ny tohodrano vaovao any amin’ny kaominina Soa­nala, faritra Anôsy. Nahavi­tana izany ny tetikasa Mionjo, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA). Afaka mamboly indroa, isan-taona, ny tan­tsaha any an-toerana, ankehitriny. Mahatratra 4 800 ny tantsaha misitraka ity fotodrafitrasa ity. […]

Alliance pour la vanille de Madagascar : Manokana 40% ny tetibolany hividianana lavanila

Hividianana lavanila voakarakara ny 40% ny volan’ny Alliance pour la vanille de Madagascar (AVM). Tapaka izany nandritra ny fivoriana voalohan’ny filankevi-pitantanana tany Antalaha sy Sambava, omaly. Fanapahan-kevitra natao hitrohana ireo tahirim-bokatra be loatra ka mampitotongana ny vidin’ny lavanila ny vahaolana napetraka. Natao izany hanarenana ity seha-pihariana sy miantoka fidiram-bolan’ny mpamokatra […]

INDRAY MIJERY

Manentana ny vahoaka malagasy rehetra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hampitombo ny fitandremana amin’ny fanomanana sy fihinanana ny sakafo mandritra ny Asaramanitra. Tena ilaina ny fanamafisana hatrany ireo fepetra ara-pahadiovana sy ara-pahasalamana. Raha misy soritraretina toy ny fivalanana, fandoavana, fahalemena, fahasarotana miaina na soritraretina tsy mahazatra aorian’ny fihinanana sakafo dia manatona […]