Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Napetraka omaly, teny Ambohimalaza, eo amin’ ny faritry ny tanin’ny Frère Capucin, ny Tsangambato fahatsiarovana, vonjimaika, ireo olona namoy ny ainy nandritra ny fankalazana tsingerin-taona mainty teny Ambo­himalaza. Nahatratra 35 ireo tanora maty tamin’izany. Nisy ny fotoam-pivavahana nampaherezana ireo ray aman-dreny sy fianakavian’ny maty sy narary, omaly, teny an-toerana. Tokantrano […]

Ambana marolafy: Mbola tsy foana ny ady fa miova endrika vaovao

Nitohy omaly, teny amin’ny Havoria Anosy, ny andro faharoa eo amin’ny fihaonana narahina famelabelan-kevitra notarihin’ny avy ao amin’ny « Ecole d’état-major » (EEM) na ny sekoly ambonin’ny Tafika Malagasy. Ny lohahevitra « Foloalindahy miatrika ny ambana marolahy »  hatrany no nifantohan’ny dinika. Ani­san’­ireo mbola namelabelatra manodidina ity lohahevitra ity ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN) […]

Fahafatesan-dRabenirina Jean-Jacques: Voaheloka higadra 30 volana ilay mpamily

Nivoaka, omaly, tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ny didy momba ny raharaha nahafaty ny solombavambahoaka voafidy tany Betioky Atsimo, Jean Jacques Rabenirina. Olona fito no voarohirohy, izay nahitana ny mpamilin’ny kamiao sy dokotera enina. Taorian’ny didy, voaheloka higadra 18 volana noho ny fanaovana vono olona tsy nahy, miampy fandoavana […]

Hasarotam-piaro : Noleran-drangahy antsy ny kibon’ny vadiny

Naratra mafy notsatoham-badiny antsy ny renim-pianakaviana iray tao Dépôt, kaominina Toamasina, faritra Atsinanana, omaly atoandro. Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ilay rangahy. Nentin’ny nanatri-maso nihazo ny hopitaly ny renim-pianakaviana iray voatsindona antsy teo amin’ny kibony, tao Dépôt, Toamasina, omaly atoandro. Tsy lavitra ny toeram-piasan’io ramatoa io, nifamaly tamin’­ilay rangahy vadiny izy, araka […]

« Star Tour » Antananarivo: Andrasana fatratra ny tarika Rossy

Sambany hanafana ny «Star Tour» ny tarika Rossy… Anisan’ireo nanomboka ny «THB Tour» taloha kosa anefa, ary mbola mitoetra ankehitriny ny lazan’ilay hira «THB» nataon’i Rossy hatramin’izao. Anisan’ny vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny nahafantarana fa iray amin’ireo mpanakanto hanafana ny «Star Tour 2026» eto Antana­narivo, etsy amin’ny Coliseum ny […]