Hanomboka anio, any Milan-Cortina, Italie, ny lalao Olympika fanao amin’ny andro ririnina. 92 ireo firenena, avy amin’ny kaontinanta 5, hiatrika izany ho an’ity andiany faha-25 ity. Anisan’ireo manana solontena amin’izany i Madagasikara, amin’ny alalan’i Mialitiana Clerc (Mia Clerc), 25 taona, sy i Mathieu Gravier, 23 taona. Vonona izy mianadahy hiaro […]
Auteur/autrice : Adnews
Volley-Match de défi : Hanomanana ny CCCZone 7
Hotanterahina ny sabotsy 7 febroary izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny “match de défi”, taranja volley-ball. Fifaninanana hanomanana ny fiadiana ny amboara ny klioba tompondaka, ho an’ny faritra faha-7, izay hatao any Seychelles, amin’ity volana febroary ity. Hifandona eo amin’ ny sokajy lehilahy, ny GNVB sy ny Mama, Raha toa […]
Fitokanana ny ivontoerana any Carion: Andrasana ny fahatongavan’ny filohan’ny Fifa
Andrasana ny fahatongavan’ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), Gianni Infantino, eto Madagasikara, hitokana ilay ivontoerana any Carion. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny loharanom-baovao iray, omaly, fantatra fa efa vita amin’ny ankapobeny ny ivontoerana any Carion, ka ny fitokanana azy sisa andrasana. Ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), Gianni […]
VAOVAO TAMBATRA
Hisitraka ny Agoa hatramin’ny 31 desambra 2026 i Madagasikara ka mbola afaka manondram-bokatra tsy handoavana haba any Etazonia. Na izany, tandidonin-doza ny asa an’arivony, hitombo ny fahasahiranan’ny orinasa miankindoha amin’ny tsena amerikanina. Anatin’ny fikaonandoha maharitra ny delegasionina malagasy hijerem-bahaolana amin’ny zava-misy izay miantraika amin’ny toekarem-pirenena. Andry iankinan’ny asam-panjakana ny fitantanam-bolam-panjakana. […]
Sirama : Mahatratra 17 miliara Ar ny vokatra ara-bola
Mandroso tsara ny orinasam-panjakana Sirama SA. Mampanofa ny fitantanana (Location gérance) amin’ny orinasa sinoa ny Sirama, ka voakasik’izany ny ozinina any Ambilobe sy Namakia. Nohazavain’ny tale jeneraly (DG), ny jeneraly Ramananarivo Mamy Emile, omaly, fa « ny fanarenana ny fitantanana no sahanin’ny Sirama, fa miandraikitra ny fampandehanana ny ozinina no ataon’ny […]




