Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Noho ny fisian’ilay fikorontanana ao amin’ny ranomasimbe Indianina, tombanana hahazo vahana ny oram-baratra amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ary hiitatra amin’ny ilany atsinan’ny afovoantany izany, manomboka ny talata ho avy izao. Hahery be koa ny ranomasina sady ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy, manomboka amin’ny alatsinainy. Nanome […]

Rasazy Valencia – Fandrindram-piterahana : “Fifaliako rehefa samy resy lahatra ny mpivady”

Rasazy ao amin’ny CSB II Ambohimanarivo Antsirabe, nandritra ny 8 taona, Rafano­mezantsoa Lantonirina Valen­cia. Tomponandraikitry ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ao an-toerana izy. Betsaka ireo vehivavy tsy avelan’ny vadiny hanao fanabeazana aizana tonga eto kanefa mahatsapa fa reraka amin’ny fiterahana lava. Resahina sy omena soso-kevitra izy ireo ary entiny eto ny […]

Oniversiten’Antananarivo : Hampianatra eny ny profesora Jasbir Chahal

Tonga eto Madagasikara ny profesora Jasbir Chahal ary voafantina ho Fulbright US Scholar hisehatra eto an-toerana. Ato anatin’ny enim-bolana manaraka, hiara-miasa akaiky amin’ireo mpianatra ao amin’ny Ecole doctorale Mathématique et application (EDMA), anatin’ny departemantan’ny Siansa eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, izy. Hitarika atrikasa sy fampianarana, hizara traikefa ho fanamafisana ny fampianarana matematika […]

Ady amin’ny kolikoly : Nametraka politika anatiny ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka

Iray amin’ireo vina ifotoran’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampanajana ny etika sy ny fitsipi-pitondrantena maha polisy. Eo koa ny fampivelarana ny fahaiza-manao sy ny famolavolana ho matihanina eo amin’ny fanatanterahana ny asa. Telo volana no nitondran’ny minisitry ny Fila­mi­nam-bahoaka, ny in­spe­cteur général de police Erick Michel, […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara ny iraky ny Fifa : i Raul Chipenda sy Etianne Sockeng. Efa nanomboka ny 4 febroary teo izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 febroary ho avy izao. Nanatrika izany ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa […]