Niantso ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ny eo anivon’ny birao maharitra mba hanaja ny fitsipika sy ny fandaminana ny asa. «Aoka hifanaja sy hanaja ny tomponandraikitra», hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, omaly. Nambaran’ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clemence, fa mety mbola maro ny nosamborina […]
Auteur/autrice : Adnews
Fikaroham-bahaolana : Mitaky tondrozotra « Ady gasy » i « Del kely »
Nahitsy ny depiote Razara Pierre Fidele, «Del kely», tao amin’ny fandaharany amin’ny radio fa tokony hafainganina ny fametrahana Tondrozotra avy amin’ny Malagasy. Notsindriny koa fa ho avy ny SADC sy ny soridalany raha mitavozavoza isika ka hataon’izy ireo dika mitovy amin’ny tondrozotra taona 2009. «Mila manana ny antsika manokana isika, […]
Entan-jaraina
Raha ny fivoaran’ny raharaham-pirenena, iaraha-mahita fa mandeha ny asa rehetra eny ifotony amin’izao fotoana izao. Mandeha ny fitokanana isan-karazany ary efa hita taratra ny fifampizarana andraikitra amin’ny ekipa rehetra. Samy efa mandray faritra samihafa ny mpanolotsaina ambony, arakaraka ny andraikitra sahaniny. Izay ilay entan-jaraina mora zaka tokoa. Marihina anefa […]
Fanavaozana eto amin’ny firenena : ” Tsy resy lahatra ny 57% eto Antananarivo” hoy ny CCOC
Nivoaka ny tatitry ny fanadihadian’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena, CCOC. Nataon’izy ireo hampisainana ny mpitondra amin’izao fotoana izao izany. Nivoitra tamin’izany fa tsy matoky ny fitondrana ny 57% amin’ny vahoakan’ Antananarivo. Niainga amin’ny fanadihadiana ireo olona miisa 1 200 amin’ny sokajin-taona samihafa amin’ireo boriborintany enina, teo anelanelan’ny febroary hatramin’ny novambra teo izany. […]
67 Ha sy Alasora: Lehilahy telo tratra namaky trano sy nangalatra
Lehilahy miisa telo indray voasambotry ny polisim-pirenena omaly vao maraim-be. Tratra nangalatra sy namaky tranon’olona tetsy 67 Ha sy teny amin’ny kaominina Alasora izy ireo. Nahazo antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisy ao amin’ny CSP7 67 Ha, izay nanatanteraka ny hetsika: « Opération mahomby ». Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy […]




