Fifanarahana hanomanana ny fananganana rafitra fiaraha-miasa vaovao mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny Fanavaozana. Io no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fanambarana iombonan’ny minisitry ny Vondrona eoropeanina sy ny Raharaham-bahiny frantsay, i Jean-Noël Barrot, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razana-mahasoa Christine, afakomaly, nampitain’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly. Mankasitraka ny dingana voalohany amin’ny fanavaozana sy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Mbola maro ny ezaka
Niteraka resabe teny amin’ny fiarahamonina ny fanafoanana sahady ny fanendrena ny tale misahana ny fandraisana fitarainana, kolonely Patrick no ahaizan’ny maro azy. Toraka izany koa ny fanesorana talem-paritra maromaro ao anatina faritra iray. Manontany tena ny mpanara-baovao raha lesoka tamin’ny fandraisana azy ireo no nahatonga izany na vokatry ny […]
Fihaonana tamin’ny Sadc : Manangasanga ny tondrozotra amin’ny Tetezamita
Nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, kolonely Randrianirina Michaël, ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias M. Magosi. Voaresaka ny momba ny fitantanana ny Tetezamita. Nifanakalozan-kevitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, afakomaly, tamin’izany ny momba ny tetezamita eto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny sekretarian’ny Sadc. Ao anatin’izany ny […]




