Auteur/autrice : Adnews

Zazavavy maty voaolana tetsy Ambohimalaza: Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza

Lehilahy iray mpiambina tanàna no voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza, omaly. Voarohirohy tamin’ny famonoana sy fanolanana ankizivavikely iray teny an-toerana izy io, ny alahady 19 janoary 2026 lasa teo. Voa­laza fa efa nanao fihetsika hafahafa tamin’io ankizivavy hita faty io, ilay lehilahy, talohan’ny zava-nitranga, raha ny fanazavana […]

Lehilahy natsingevan’ny rano : Tombanana ho efa maty tao anatin’ny telo andro

Hita omaly tamin’ny 4 ora latsaka fahefany hariva, tao anaty rano, teo ambonin’ny tohodrano iray ao amin’ny fokontany Ankorombe, disitrikan’Ambositra, ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray tokony ho 30 taona. Mpanjono niampita teny an-toerana no nahita olona natsingevan’ny rano ka nampandre ny manam-pahefana. Vory lanona ny fokonolona teny amin’ny manodidina vantany […]

Nalefa eny Imerintsiatosika, halina: Naiditra vonjimaika am-ponja ny Jly Ravalomanana Richard

22 andro taorian’ny nisamborana azy teny Ambatovinaky, niakatra fampanoavana, omaly, ny Jly Ravalomanana Richard. Naiditry ny mpitsara mpanao famotorana vonjimaika am-ponja eny Imerintsiatosika izy. Nalefa eny amin’ny fon­jan’Imerintsiatosika ny Jly Ravalomanana Ri­chard, halina. Izay ny vokatry ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitsara mpanao famotorana azy. Niakatra fampanoavana, 22 andro taorian’ny fisamborana […]

Minisitra Rafaralahy Lucie : Mila manana lalam-bola samihafa

Nandritra ny famaranana ny Herinandron’ny asa sosialy tetsy Mahamasina, ny zoma teo, no niantsehatra nizara traikefa tamin’ireo tanora ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Rafaralahy Lucie. Naneho ny lalantsaina tokony hananana, torohevitra sy fanohanana ireo tanora mahakasika ny fihariana. Tsara ny sehatra fihariana manana loharanom-bola samihafa ary manohana […]

Fampianarana: Hiova indray ireo datim-panadinam-panjakana

Hivoaka amin’ity herinandro ity ny tetiandrom-pampianarana vaovao nasiam-panitsiana. Iarahan’ny minisitera maromaro sy ny sekoly tsy miankina ny fanitsiana izany. Miaiky ny fahadisoana sy ny fitarazohana amin’ny fandraisana andraikitra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mo­mba ilay tetiandro diso nivoaka sy niparitaka niteraka resabe ny herinandro teo. Nam­baran’ny tomponandraikitra fa olona tao amin’ny minisitera, […]