Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Nahafa-po ny iraky ny FMI ny vokatra vitan’i Madagasikara tao anatin’ny 2 volana, momba ny sehatry ny angovo. Natao ny 13 janoary teo ny dinika mahakasika ity sehatra ity, nitateran’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny ao amin’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) tatitra. Anisan’ny zava-bita ny […]

Analamanga : Zana-kazo 3 500 fototra nambolena tany Ankazobe

Notontosaina ny 15 janoary teo ny fambolen-kazo nokarakarain’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Analamanga. Teny amin’ny kaominina Ambohi­tromby, distrika Ankazobe, no nanatanterahana izany. Miisa 3 500 ny zana-kazo novolena tamin’ny velarantany 3 ha. Nitarika ny fotoana ny lehiben’ny Faritra Analamanga, ny tale jeneralin’ny Haitondra ara-tontolo iainana ao […]

Fiaraha-miasa : Haverina ny zotra ana habakabaka mankany Afrika Atsimo

Maromaro ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Afrika Atsimo. Firenena voalohany fanafarantsika entana, amin’ny alalan’ny fifanakalozam-barotra malalaka tsy tataovan-ketra (Zlecaf). Noraisin’ny filoha afrikanina tatsimo, Cyril Ra­ma­fosa, tao amin’ny trano fonenany, any Mah­lamba Ndlopfu, Pretoria, ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, ny zoma 16 janoary teo. […]

Faritra Atsimo Atsinanana: Maniry Tranobe iraisana ireo Ampanjaka

“Tranobe” na “Lonaky” iraisan’ireo foko rehetra anatin’ny distrika 5 mandrafitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ ireo hetaheta nampitain’ireo Ampanjaka telo tonta ao Farafangana, solontenan’ireo raiamandreny ara-drazana ao amin’ny Faritra, tamin’ny tale jeneralin’ny Kolontsaina sady mpanakanto Théo Rakotovao io. Nandritra ny fitsidihana izay notontosainy tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo, izany, […]