Ahina hiakatra ny vidim-piainana eto Madagasikara manoloana ny toe-draharaha iraisam-pirenena sy ny ady ao Moyen-Orient. Mivoitra amin’ny vinavina nataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) izany. Mety hahatratra 10,1% ny tahan’ny fidangan’ ny vidim-piainana eto Madagasikara amin’ny volana desambra 2026 raha 9,3% ny vinavina napetraka tany am-piandohana, araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Noraisin’ny filohan’i Tchad, ny Maréchal Mahamat Idriss Déby ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, tao amin’ny lapam-panjakana Toumaï, N’Djamena. Nitohy tamin’ny fihaonan’izy mirahalahy tamin’ny filoham-panjakan’i Guinée-Bissau, ny Jly Horta N’Tam izany. Nifampizara hevitra ny telo tonta tamin’izao fihaonana izao. Tsy misy hery na fahefana afaka mitsabaka amin’ny raharaham-pifidianana karakarain’ny […]
Fihaonana tamin’ny filoha Tao Tchad: Mangataka mba ho afa-mifidy ireo “Diaspora”
Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, any Tchad, ny fihaonana tamin’ ireo Malagasy milaravinahitra any an-toerana. Nisy ny tafa sy fihainoana azy ireo, omaly, na dia vitsy aza ireo Malagasy monina any Tchad, izay miisa 20 mahery eo. Efa fanaon’ny filohan’ny Fanavaozana rahateo ny mamaly ny […]
Ho ravana, tsy ho ravana !
Tena tsy misy andro angamba eto Madagasikara mba hampitsahatra ny resabe politika. Nanaitra ny fahitana vaovao niely omaly, mahakasika ny Antenimierampirenena. Nahoraka ny filazana fa ho ravana ny Antenimierampirenena. Nalaza fa misy volabe amina miliara mihodinkodina any. Samy nivoy izay tiany ho voizina daholo ny olon-drehetra na ny tanora […]
Fivoriana mikaton-trano : Tsy mitombina ny handravana ny Antenimierampirenena
Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, taorian’ny fivoriana mikaton-trano nataon’ireo depiote teny Tsimbazaza. Nandiso ireo vaovao niely ny tenany tamin’izany. «Tsy marina ny tsaho miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera ny amin’ny filazana fa horavana ny Antenimierampirenena sy ny birao maharitra eto amin’ity Andrimpanjakana ity », hoy izy. Nohamafisiny ny […]




