Hiavaka tanteraka ! Hikambana ao anatin’ny boky « Hariivo » ny fahalalana samihafa tafiditra ao anatin’ny kolontsaina sy fomba amam-panao malagasy ary ny tontolon’ny zavapanahy. Fantatra, omaly, fa hivoaka tsy ho ela io boky ahitana ny fanandroana malagasy, ny tontolon’ny valiha sy ireo tsiambaratelony, ny tetiandro malagasy, ny zavapanahy teo amin’ny Malagasy, sns, […]
Auteur/autrice : Adnews
« Festival 321 »: Herinandro ho an’ny dihy ankehitriny
Iray amin’ireo zavakanto sy kolontsaina manavanana ny Malagasy ny dihy. Tsy ny fahiny ihany no nahatazanana izay fa ny ankehitriny ihany koa. Hanamafy izany ny hetsika « Festival 321 ». “Dihy sy tantara”. Io ny lohahevitra nosafidian’ny Compagnie Rary, hitondrana ny “Festival 321”, andiany faha-7, amin’ity. Hatao mandritra ny 7 andro izany, […]
VAOVAO TAMBATRA
Feno lavaka sy lozoka ny manamorona ny lalam-pirenena RN1 any Tsiroanomandidy. Izany dia vokatry ny fitrandrahana volamena ataon’ny olona, indrindra any amin’ny mihazo ny fokontany Ambohibary Kofay any Fihaonana Tsiroanomandidy. Avy any amin’ ny fokontany Ankaditapaka sy Ambohibary Kofay ireo olona ireo. Nidina tany an-toerana nandamina ireo mpitrandraka ny inspektera […]
Teknika « In Vitro » : Velaran-tany 100 000 ha hambolena kafe
Nihena ho 15 000 hatramin’ny 20 000 taonina sisa ny vokatra kafe eto Madagasikara, raha nahatratra 80 000 taonina izany tany amin’ny taona 90, izay anisan’ny nanondrana tany ivelany isika. Manoloana izany, misy ny fiaraha-miasan’ny Foibem-pikarohana momba ny masomboly, ny Fofifa sy ny SOC, amin’ ny ivontoerana, ny Robens Group, […]
Toekarena manga : Havaozina ny lalàna mifehy ny jono
Mifandinika momba ny hanavaozana ny lalàna mifehy ny Jono sy ny Fiompiana anaty rano ny minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga. Tanjona ny hampifanaraka ny lalàna amin’ny zava-misy sy ny filan’ny sehatra ankehitriny. Anisan’ny tanjona lehibe ny hanatsarana ny fitantanana ny harena anaty rano, hanamafisana ny fahitsiana sy ny mangarahara […]




