“Tena mpanao politika aho, ny hevitro: amin’ny firenena iray rehefa manomboka manao fanadiovana: tokony hoenjehina izay olona nanao hadalana rehetra, na tamin’ny fitondran’iza na iza”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, anisan’ny mpikamban’ny vaomiera eo anivon’ny Antenimierampirenena fandinihana ny antontan-taratasy fanenjehana eny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanavaozana tena izy
Mahazo vahana ny tsy fandriampahalemana eto an-dRenivohitra, indrindra ny hala-boty sy ny sinto-mahery. Nanaitra ilay tranga teny amin’ny tsenan’Anosibe, nisehoana fisintomana poketran’olona eny ambony scooter. Tsy nanampo fa very tanatin’ny indray mipi-maso ny fianarana. Tsy afaka nanao na inona na inona. Ny nanamarika ilay tranga, ankoatra ny fandrobana dia […]
Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama: «Samy hotsarain’ny vahoaka na izahay na ny depiote»
Namarana ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny solombavambahoaka, rehefa naharitra roa andro, ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, teny Tsimbazaza. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Nambarany fa voarain’ny governemanta avokoa ny hetahetan’ireo depiote. Niantso fifanomezan-tanana koa anefa ny tenany. « Samy hotsarain’ny vahoaka isika sy ianareo nisolovava azy », hoy izy. Nambarany fa […]
TSELATRA
Mpitondra moto voafaokan’ny taxi-be tetsy Pullman Ivandry, omaly tolakandro. Nisongona io fiara fitateram-bahoaka io ity farany. Nahay niala kosa ilay mpitondra moto ka voasoroka ny loza. Nisy fahavoazana ny moto vokatry ny loza. Zazavavy kely vao iray volana sy tapany nisy nanary tao amin’ny fokontany Ambohipierenana Ankazoambo, Ambositra, omaly atoandro. […]
Vehivavy hita faty nifatotra: Mpivady niaraka voarohirohy
Notazomin’ny polisim-pirenena ka natolotra ny fampanoavana omaly, ireo mpivady voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vono olona tao Ambohimandamina, kaominina Mahajanga. Mpivady mifanila efitra tamin’ny tokantranon’i Felicia, ilay renim-pianakaviana 29 taona hita faty tao an-toerana, tamin’ny alarobia 10 desambra lasa teo ireo voasaringotra ireo. “Nanao ny fanadihadiana avy hatrany izahay polisim-pirenena rehefa […]




