Auteur/autrice : Adnews

Voka-pikarohana siantifika : Manan-danja amin’ny fitrandrana ny tontolo iainana

Ilaina ny manaraka ny voka-pikarohana siantifika amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary mba hiantohana ny famokarana ara-drariny sy manaja tontolo iainana. Miantoka ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena ny tontolo iainana, noho izy mpamatsy ny akora samihafa hotrandrahina. Nivoitra izany nandritra ny fikaonandohan’ny mpikaroka, « Colloque scientifique de l’école doctorale […]

TARATRY ny KANTO

“Hitono kalo 2.0”. Haverina indray anio tolakandro, manomboka amin’ny 2 ora, ao amin’ny Efi­trano Dox, Tranombokim-pirenena. Antsa tononkalo miavaka, iarahana amin’i Riva sy Onja Rakotomalala izy ity, hitondran’izy ireo ny sanganasa voafantina, mifanaraka sy mifaningotra mba hitana ny fo amam-panahin’ireo izay hanatrika. Efa andiany faharoa ny hetsika, noho ny fahombiazan’ny […]

INDRAY MIJERY

Manaitra ny rehetra ny Holafitry ny mpitsabo nify sy ativava fa tsy hifandovana ny fitsaboana fa tena mila ianarana aman-taona maro. Tsy hoe rehefa mpi­tsabo nify ny rainao ka nahita ny fanaony teo ianao dia lasa mpitsabo nify koa. Mitera-doza rehefa tsy niana­rana ny asa fitsaboana ary tena saro-pady. Nodinihina […]

Mpianatra Master II : Nomena kojakoja ny autiste eny Ambatomaro

Nahazo kojakoja fototra ny ankizy manana fahasemba­nana « Autiste », beazina eny amin’ny foibe Autisme Mada­gasikara Ambatomaro. Nana­tanteraka izany, ny alatsinainy teo, ny mpianatra Master II Professionnel, sampam-pianarana Zon’olombelona (Droit de l’homme) eny amin’ny Anjerimanontolo. Maro amin’ ny olona Autiste no manan-talenta sy fahaiza-manao ma­nokana amin’ny sehatra samihafa. Tsapa anefa […]