Horaisin’ny fanjakana ny fitantanana ireo fananan’ny Madarail. Voakasik’izany ny any Toamasina sy Mantasoa ary eto Antananarivo. Tsikaritra fa nisy fampanofana tany sy trano tamin’ny Madarail Immobilier (mpanofa) nataon’ny Madarail SA (mpampanofa). Fotodrafitrasa maro toy ny trano, tany marobe ary toby fiantsonan’ny fiaran-dalamby ireo toerana ireo. Tsy azo amidy na afindra […]
Auteur/autrice : Adnews
Alaotra Mangoro: Nitotongana ny voka-bary tamin’ity taona ity
Nihena ny voka-bary ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro tamin’ity taona ity, raha toa ka noheverina ho sompitr’i Madagasikara hatramin’izay. Tombanana ho 489 998 taonina (t) ny vokatra azo amina velarana 169 487 ha, izany hoe 2,9 t/ha, raha toa ka 607 001 t isaky ny velaran-tany 188 633 ha izany, […]
Niomerika : Natsangana ny « Salon digital Madagascar »
Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny niomerika, noho izy manampy amin’ny fanatanterahana tetikasa, fikarohana sy ny maro hafa ho an’ny fiarahamonina. Hanohanana ireo tetikasa marolafy, notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny « Salon digital Madagascar ». Hetsika fampirantiana hivondronan’ireo matihanina misehatra amin’ny tontolon’ny niomerika. « Hery ho antsika ny fananana tanora mavitrika […]
Fandaharanasa Repair : 100 tapitrisa dolara hiatrehana ny loza voajanahary
Firenena voalohany hisitraka ny Fandaharanasa Repair i Madagasikara. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hiatrehana ny loza voajanahary. Famatsiam-bola atokana hiatrehana ny fiantraikan’ny loza voajanahary ny Fandaharanasam-paritra ho fiomanana amin’ny asa vonjitaitra sy famerenana amin’ny laoniny ho an’ny rehetra (Repair). Sambany no nisian’ity fandaharanasa ity ka firenena telo no hampiharana azy […]
Ny Feon’Analamanga : Hikalo ny sanganasan’i Naka Rabemanantsoa
Sady hamaranana ny taona 2025 no hamaranana ny faha-10 taonan’ny tarika Ny Feon’ Analamanga, hanatanteraka fampisehoana an-tsehatra ao amin’ny IKM Antsahavola ny sabotsy 20 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ity tarika mamelona sy mivoy ny kalon’ny fahiny (hira teatraly) ity. Maro ireo hira heno tany anaty teatra tamin’ […]




