Sady hamaranana ny taona 2025 no hamaranana ny faha-10 taonan’ny tarika Ny Feon’ Analamanga, hanatanteraka fampisehoana an-tsehatra ao amin’ny IKM Antsahavola ny sabotsy 20 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ity tarika mamelona sy mivoy ny kalon’ny fahiny (hira teatraly) ity. Maro ireo hira heno tany anaty teatra tamin’ […]
Auteur/autrice : Adnews
Kitra – «Tournoi des Grands Elites» : Tsara toerana ny Disciples FC
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianjan’ny Velodrome Antsirabe, ny andro farany amin’ny fifaninanana «Tournoi des grands élites», taranja baolina kitra. Tsara toerana amin’ity fifanintsanana ity, hatreto, ny Disciples FC Vakinankaratra. Raha tsiahivina, lavon’izy ireo tamin’ny isa 8 no ho 1, ny alakamisy lasa teo, ny As Valahara, tompondakan’i Vakinankaratra. Hifanandrina amin’ny […]
« Momota Tic Tac Show» : Hira, dihy, cirque, hatsikana ary lalao ho an’ny ankizy
Zava-baovao no haseho. Anisan’ny fampanantenana nataon’i Momota sy ny ekipany, miaraka amin’ny mpikarakara io, omaly. « Cirque Momota Tic Tac Show » ny lohateniny, izay hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. « Hitondra zava-baovao ho an’ny ankizy izahay, asehonay koa fa izahay mahafeno Palais […]
Rugby – “XXL Top 12”: Hifampitady ny Uscar sy ny CEA Andranomanalina
Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny andro fahefatra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”. Lalao telo no voalahatra amin’izany ka anisan’ny hisongadina ny fifanandrinan’ny CEA Andranomanalina sy ny Uscar Antananarivo Renivohitra. Hitohy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapaneka, toa ny mahazatra ny fifanintsanana hiadiana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nitory ny filoha Rajoelina eny amin’ny Antenimierampirenena ny Gen Z. Nanoratra antontan-kevitra sy fitoriana iampangana azy izy ireo ka miompana amin’ny And. faha-131 ao amin’ny Lalàmpanorenana izany. Anisany ny famadihana tanindrazana sy ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalàmpanorenana. Niantso ireo depiote hankato izany izy ireo. Hitohy anio, ao Antsirabe, ny fihaonan’ny […]




